Ny volana septambra dia natokana ho fanamarihana ny fisian'ny aretina alzheimer fa ny faha-21 septambra no tena andro manera-tany fanamarihana io aretina io. Ny aretina Alzheimer dia aretina izay manimba tsikelikely atidoha sy ny sela tena ilaina. Tamin'ny taona 1906 : Dr Alois Alzheimer, manam-pahaizana momba ny aretin-tsaina, no voalohany namariparitra, tamin'ny alalan'ny fanaovana "autopsies", io aretina io. Fambaran'ny aretina alzheimer : fahaverezan'ny fitadidiana mety ho resaka, endrik'olona, fomba na asa andavanandro, eo koa ny fiovan'ny toetra amam-pitondrantena...

 

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...