Ny taovam-pisehona dia ny taova mitondra ny rivotra sy ireo singa ilain'ny vatana. Ny firafitry ny taovam-pisefoana : orona, vava, tenda, traotraoka, havokafoka. Ny aretina mety mahakasika ny taovam-pisefona : misy aretina mandalo azo tsaboina, misy ihany koa ireo aretina mitaiza ; isan'ireo matetika mitranga ny gripa, covid-19, kohodavareny, soika, fahasimban'ny sela anaty avokavoka miaro rehoka, misy rano ny avokavoka. Ny antony mahatonga ny aretina : fanafihan'ny tsimok'aretina, sy ny bakteria, vovoka manify ao antrano, ny fahalotoan'ny rivotra eny amin'ny tontolo iainana izay mety misy singa simika, setroka sigara sy ny maro hafa...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...