Misy ny karazan'olona no tsy misy volo hatrany am-bohoka, mety noho ny olana eo amin'ny hodi-doha, ary mety ho tarazo. Ny aretina mety mahazo ny volo sy ny hodi-doha dia maro fa isan'ny be mpahafantatra ny fihitsanan'ny volo sy ny angadrano. Msy antony maro samihafa mety mahatonga ireny aretina ireny, ohatra ny fihitsanan'ny volo dia mety ho tsy fahampian'ny vy, mety ho vokatry ny aretina hafa diabeta na koho-davareny, metsy ho vokatry ny fikorontanan'ny tahan'ny tsiry mpanentana ihany koa na otrikaretina mahazo ny hodi-doha... 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...