Ao anatin'ny iray volan'ny teny malagasy isika amin'ity volana jona ity. Sehatra sy/na fikambana vitsivitsy anefa no tena manamarika io iray volana io. Ny teny manentana amin'ity taona ity dia : izay tia ny teniny, tia ny taniny. Tsy afaka mifanerasera ny olona raha tsy misy ny teny izay vohizina hifaneraserana ary mifandray amin'ny tany. Ny hoe "teny" : voalahany adika ho voambolana ary faharoa dia fiteny. Ilaina ny famerenana ireo taranja sy fizàrana teny amin'ny ambaratonga fototra... 

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...