Manimba ny fahasalamana ny fanaovana dokotera tena. Maro ny olona tonga eny amin'ny tobi-pahasalamana no efa ao anatin'ny fahasarotana fa tsy ilay fiatombohan'ny aretina intsony, izany hoe notsaboina tany an-tranony tany foana ny marary. Ny hoe manao dokotera tena dia ireo olona mamaritra samy irery ny aretiny na koa mitsabo sy mampiasa fanafody tsy nandalo fizahana teo anatrehan'ny mpitsabo niofana. Ny famaritana ny fototr'aretina dia ny mpitsabo "dokotera" no efa voatokana hanao izany raharaha izany. Fandaharana "Amperala Miary" vokarina eto amin'ny RDB.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...