Mpifankatia i Sedera izay miramila sy Miarana, mitondra vohoka. Mamita iraka matetika i Sedera ary nanometoky izy tamin'ny dia farany nalehany fa hiova asa hafa mba hilaminan'ny fiainan'izy roa raha vao tafaverina. Voatifitra tany an'ady i Sedera, nandritra ny fifanandrinana tamin'ny dahalo. Notsindromin'i Hery namany tamin'ny ranom-panafody mahafaty i Sedera mba ahafahan'iry voalohany manambady an'i Miarana. Tsy nampoizin'i Miarana hoe maty ny fofombadiny.

[Miara-dàlana] Zoma 25 ôktôbra 2024

♦ Nitsodrano manokana ny vahoaka Malagasy ny Papa François, nandritra ny fanatanterahana ny dingana faharoa amin'ny Sinaodin'ny Eveka, tanterahana any Roma nanomboka ny 30 septambra ary hifarana ny 27 ôktôbra 2024... ♦ Miatrika fivoriambe fanao isan-taona eny amin'ny Masera Filles de la Sagesse Benasandratra, ny lehiben'ny fikambanan-drelijiozy lehilahy, eto Madagasikara... ♦ Lalivain'ny hafaliana sy ny fitiavan'ny mpivady, ny Fanahy Masina, hoy ny fampianaran'ny Papa François tamin'ny Audience générale, ny alarobia 23 ôktôbra 2024...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...