Niakatra tany an-drenivohitra i Tanjona mba hitady ny anadahin-dreniny, tsy nahita trano handriana izy, sendra an'i Ramatoa Sophie, ka io no nanampy azy sy nandray an'i Tanjona ho mpiasa ao aminy. Mpifankatia i Sophie sy Jonah, ary mifankahazo tamin'ni Tanjona tsara. Afa-po tamin'ny asa nataon'i Tanjona ilay vehivavy tsara fanahy nandray azy hiasa, nisaotra an'ity farany i Tanjona ary nanome toky fa hanao ny asa araka izay tratrany.

[Miara-dàlana] Zoma 25 ôktôbra 2024

♦ Nitsodrano manokana ny vahoaka Malagasy ny Papa François, nandritra ny fanatanterahana ny dingana faharoa amin'ny Sinaodin'ny Eveka, tanterahana any Roma nanomboka ny 30 septambra ary hifarana ny 27 ôktôbra 2024... ♦ Miatrika fivoriambe fanao isan-taona eny amin'ny Masera Filles de la Sagesse Benasandratra, ny lehiben'ny fikambanan-drelijiozy lehilahy, eto Madagasikara... ♦ Lalivain'ny hafaliana sy ny fitiavan'ny mpivady, ny Fanahy Masina, hoy ny fampianaran'ny Papa François tamin'ny Audience générale, ny alarobia 23 ôktôbra 2024...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...