Niharan'ny lozam-piarakodia izy efatra mianadahy : Ravaka, Ranja, Sanda, ary Sedra. Tapa-tongotra sy tànana i Sedra. Maty i Sanda. Very rà betsaka i Ravaka ka afaka ny zaza tao an-kibony. Velona soa aman-tsara izy saingy mbola marefo. Teo am-bavahoanan'ny fahafatesana kosa i Ranja no nampibebahan'i Dina.
Niova tanteraka i Ravaka, nisaraka tamin'ireo naman-dratsiny, eny fa na dia efa nitoe-jaza tamin'i Sanda aza izy, ary vonona ny hitaiza ny zanany. I Sanda kosa vao mainka manohy ny asa ratsiny hatrany, raha efa niova ihany koa i Sedra, ary te hanaraka ny làlan'i Dina.
Namaramparana ny fivahiniany eto Madagasikara i Line Bordas. Nametraka fahatsiarovana ho an'ilay rahavaviny kambana aminy izay hitany ihany izy. Fifankahitana azo lazaina hoe niserana tao anatin'ny indray mipi-maso monja ihany, ary fifankahitana nitondrana fangirifiriana tsy hay fafana eo amin'ny androm-piainany manontolo.
Tonga nampahery an'i Sedra tany am-ponja i Dina sy nanome vola fanampiana azy, ary nitaona azy mba hiverina amin'Andriamanitra. Nanao asa tselika miasa amin'ny hotely iray i Dina sy Ravaka fa tsy afaka mandefa vola ho azy ireo intsony ireo ray aman-dreniny. Notafihin'i Sanda sy ireo namany tao izy ireo ary dia lasany avokoa ny vola rehetra tao.
♦ Nodimandry teo amin'ny faha-95 taonany i P. Giovanni Follese, antsoina ihany koa hoe Mompera Joany, avy amin'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco... ♦ Manasa antsika rehetra hivavaka ho an'ny fiofanan'ny relijiozy sy ny seminarista, ny Papa François, ao anatin'ny tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana mey ity... ♦ Tanjona ho an'ny Antilin'i Madagasikara ny hanana fanabeazana tsaratsara kokoa, izany no antony nanatontosan'izy ireo ny fiofanana tao anatin'ny valo andro, izay nanomboka ny 27 aprily hatramin'ny 5 mey 2024, ho an'ny Diôsezin'i Mahajanga...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco