Nitsidika ny Oratorion'i Don Bosco i Henri sy ny rainy. Raha iny mbola nitolagaga ny asa vitan'i Don Bosco iny ny rain'i Henri, dia noresahan'i Don Bosco mangingina i Henri fa tian'i Masina Maria ho eo amin'ny Oratorion'i Valdocco izy, hanao mompera ka hitory ny vaovao mahafaly ho an'ireo marobe mila izany.
Nandalo tany Côte d'Azur i Don Bosco. Vetivety monja dia nalaza ny fandalovany. Nihazakazaka ny olona hanatona azy, tao ireo nanana ny marary efa am-bavahoanan'ny fahafatesana : nangataka vavaka taminy, nangataka fanosorana ho an'ny marary. Roa taona taty aoriana, nanatona azy ilay marary anisan'ny nentina teo aminy tamin'izany fotoana izany, mba hiservy ny lamesa notarihiny.
Tapa-kevitra i Line Bordas, roso ny dia, any Mahela no tanjona. Kely foana sisa no tsy nandaozan'ny lakana nitondra an'i Line sy Pita an'i Noro. Tafara-dia ihany ry zareo. Zaha tany sy fitadiavana "ilay very" : raha lanjaina dia ny tebiteby sy ny tahotra no mibahan-toerana indrindra.
Niara-nitsangatsangana tany an'ala i Don Bosco sy i mompera Michel. Nitondra voankazo avy any ho an'ireo ankizy taizany izy ireo. Raha ny isan'ny ankizy sy ny hakelin'ilay kitapo, dia tsy tokony ho ampy an'ireo ankizy ny voankazo nentin'izy ireo, kanefa dia samy nahazo ny anjarany avokoa ireo ankizy, ary tsy kely fa betsaka.
♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco