Mifankatia i Leva sy Anja, mahatsiaro ho latsa-danja raha milahatra amin’i Setra sy Sahondra vao avy nanamarika teo anatrehan’ny fianakaviany avy ny fifankatiavana sy ny fikasan’izy ireo hivady. Nitsiriritra izany tamin’alahelo i Anja. Fa tsy menatra ny amin’ny tsy fananany kosa i Leva raha niresadresaka momba izany izy roa. Herinandro monja taorian’ny fiantranoana dia maty i Sahondra. Tany amin’i Anja hany sakaizan’itompokovavy no niantefan’ny ahiahin’ny mpianakavy ho antony nahafaty an’i Sahondra.

May volon-tratra i Ranja fa tongan'i Mialy zanany vavy tany aminy ny fikasan'i Tefy zanak'i Haja hanara-maso an'i Haja  satria fantatry ny vadin'i Haja fa mampirafy azy i Haja. Marary noho izany ny renin'i Tefy ka nanome toky ny reniny izy fa hanao izay hahatrarana izany vehivavy hanitsakitsahan'ny dadany ny mamany izany. Mitsikilo hatrany hatrany izay zava-mitranga ao an-tokan-tranon-dry Ranja i Tiana mpanampy, ary lasa tsy vitany an-tsakany sy an-davany hatramin'ny asa ataony.


Raim-pianakaviana manambady i Haja ary manam-pitiavana an'i Ranja izay vadin'i Rivo rahalahy iray tampo aminy. I Rivo izay raim-pianakaviana manaja tanteraka ny vady aman-janany : miasa mafy, mampidi-bola tsara ao an-tokantranony, saingy vokatr'izany dia somary tavela an-kila-bao i Ranja vadiny, ka azon'ny fakam-panahy nifankatia tamin'i Haja. Notenenin'i Haja i Ranja fa samy hisaraka amin'ny vady avy izy roa dia afaka hiaraka tsy miafinafina. Tsy nanaiky i Ranja fa tiany ny vadiny.

Fotoana maha somebiseby ny iray tanàna no iantombohan’ny tantara. Hiantrano ao amin’ny fianakavian’i Sahondra ny fianakavian’i Setra, haka vady azy. Zanak’olona mpanan-karena i Setra, i Sahondra kosa dia eo ho eo ihany, tsy ambony tsy ambany raha ny fananana no jerena. Karazana vady amboarina ihany ny azy roa, ka ny ray aman-dreny roa tonta no nifanaraka mba hampivady ireto tanora roa ireto.

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...