♦ Hidina ifotony any amin'ireo fokontany nahitana ny olona mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus vokatry ny fifaneraserana tamin'ireo olona mitondra izany ny tompon'andraiki-panjakana. Hanao fanadiovana faobe. Isan'izany ny eny Isotry sy Ambondrona ao Antananarivo Renivohitra... ♦ Miantso ny Malagasy tsy an-kanavaka haneho ny Fihavanana, isan'ny soatoavina nolovaina tamin'ireo ray aman-dreny tany aloha, ny mpampaka-teny ankapoben'ny Filankevitra Fampihavanana Malagasy na ny CFM...
♦ Niampy iray indray omaly ny isan'ny olona mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto Madagasikara. 59 izany izao no totalin'ireo voamarina ho mitondra ny tsimok'aretina eto amintsika... ♦ Hanao fanadiovana faobe eny amin'ny toerana nahitana ny olona mitondra ny tsimok'aretina noho ny fifaneraserana tamin'ireo olona nitondra izany ny tompon'andraikitra... ♦ Nandray fepetra momba ireo mpiasa voamarina fa mitonfra ny tsimok'aretina Coronavirus ny ao amin'ny orinasa Ambatovy...
♦ Olona iray indray androany no voaporofon'ny teo anivon'ny Institut Pasteur fa mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus. 59 izany izao ireo olona voamarina ireo eto Madagasikara... ♦ Tapaky ny Filoham-pirenena sy ireo tompon'andraikitra eo anivon'ny CCO Covid-19 fa hanaovana fandiovana faobe eny amin'ireo toerana nahitana ireo "cas contacts" na olona mitondra ny tsimok'aretina noho ny fifampikasohana...
♦ Hovatsiana tampim-bava iray isan-trano ny fianakaviana hoy ny Filoham-pirenena hisorohana ny fiparitahan'ny Covid-19 amin'ny alalan'ny fifaneraserana... ♦ Nihaino sy nanoro hevitra ireo tompon'andraikitra samihafa tany Mahajanga amin'ny ady atao amin'ny fihelezan'ny tsimok'aretina Coronavirsu ny Praiministra Ntsay Christian...
♦ Nodimandry teo amin'ny faha-95 taonany i P. Giovanni Follese, antsoina ihany koa hoe Mompera Joany, avy amin'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco... ♦ Manasa antsika rehetra hivavaka ho an'ny fiofanan'ny relijiozy sy ny seminarista, ny Papa François, ao anatin'ny tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana mey ity... ♦ Tanjona ho an'ny Antilin'i Madagasikara ny hanana fanabeazana tsaratsara kokoa, izany no antony nanatontosan'izy ireo ny fiofanana tao anatin'ny valo andro, izay nanomboka ny 27 aprily hatramin'ny 5 mey 2024, ho an'ny Diôsezin'i Mahajanga...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco