♦ Mitohy hatrany ny fikarohana ireo olona mety ho nifandray tamin'ireny olona efa fantatra fa mitondra ny tsimok'aretina Covid-19 ireny... ♦ Mpatory an-dalana an'arivony no vatsian'ny Kaominina Antananarivo sakafo in-telo isan'andro amin'izao fotoanan'ny fihibohana izao... ♦ Tsy nanadino ireo sokajin'olona marefo sy tsy misy mpiahy amin'izao fihanaky ny valan'aretina Coronavirus izo ny CNFM...

♦ Miantso ny herivelona sy ny mpitondra fanjakana hifanohana sy hitandro ny firaisan-kina ny FFKM mba hampirindra ny fiainan'ny vahoaka Malagasy... ♦ Nangiana tsy toa ny isan-taona ny alatsinainin'ny Paka tamin'ny faritra samihafa... ♦ Naato amin'ny asany noho ny antony ara-eknika ny mpiasa mikarama isan'andro miisa 1200 tao amin'ny orinasa iray mpanao sakafo...

♦ Herinandro fahefatra ampiharana ny hamehana ara-pahasalamana ity herinandro vaovao ity. Miantso ny mponina any amin'ireo faritra ampiharana ny fhibohana ny mpitondra tenin'ny CCOC ety Ivato mba hanaja hatrany ny fepetra ampiharina... ♦ Nankalaza ny Paka tamin'ny alalan'ny fanarahana ny fotoam-bavaka tany an-tokantrano ny kristianina teto Madagasikara...

♦ Famonoana ny orinasa malagasy ny fitakian'ny fanjakana hetra amin'izao fotoan-tsarotra diavin'ny firenena izao hoy Andriamatoa Serge Zafimahova... ♦ Tsy mba voatonona ao amin'ireo sokajin'olona nahazo sy hahazo ny fanampiana avy amin'ny fanjakana amin'izao fampiharana ny fepetran'ny fihibohana izao ny olona manana fahasembanana...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...