♦ Tsy niova ny isa 121 fitambaran'ny olona mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto Madagasikara. Tsy nisy tranga vaovao omaly... ♦ Nampahafantarina tamin'ny fomba ôfisialy omaly ny Covid Organics, vokarin'ny ivo-toeram-pikarohana natsangan'ny Profesora Rakoto Ratsimamanga na ny IMRA... ♦ Tsy tokony ahindrahindra amin'izao ady atao amin'ny Coronavirus izao ny loko pôlitika hoy ny ROHY...

♦ Tsy nisy olona voan'ny Coronavirus ireo olona natao fitiliana tato anatin'ny 24 ora... ♦ CVO na Covid Organics, io ilay tambavy hampiakatra ny hery fiarovana, hisorohantsika ny fiparitahan'ny Covid-19 novokarin'ny IMRA... ♦ Nanomboka androany avy hatrany ny fandamin'ny teo anivon'ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena, miaraka amin'ireo any amin'ny DRENETP...

♦ Mitaky ny fahalalahana maneho hevitra mba ahazoana vaovao marim-pototra ny hetsika ROHY na dia izay ambara fa fanakianana mivaivay indrindra aza... ♦ Tsy mbola vita ny ady amin'ny valan'aretina Coronavirus, hoy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina... ♦ Hametrahana fitaovana ahafahana manasa tanana amin'ny rano sy savony ireo toerana rehetra tsy ahitana rano nefa be mpandalo...

♦ Hiverina tsikelikely ny fiainana andavan'andron'ny mponina indrindra fa ny asa fivelomana amin'ity herinandro ity... ♦ Olona vaovao iray omaly no voamarina fa mitondra ny tsimok'aretina... ♦ Miantso ny Fiangonana isan'isany manerana ny Nosy mba hahatsiaro hanolotra izay voatsirambin'ny tanana ho an'ny olona tena sahirana ny Filohan'ny FFKM...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...