♦ Efatra andro nisesy izao, tsy nisy nitondra ny tsimok'aretina Coronavirus ireo natao fitiliana teny amin'ny Institut Pasteur, nitombo 6 ihany koa ny olona sitrana tato anatin'ny 24 ora... ♦ Naheno ny paik'ady nampiharin'i Madagasikara amin'ny ady amin'ny Coronavirus ny Filoha Congolais ka niresaka manokana tamin'ny Filoha Malagasy omaly ny amin'ny fampiasana ny Artemisia...

♦ Mitohy ny fikatonan'ny Fiangonana Katôlika rehetra manerana ny Nosy ho fanajana ny fampiharana ny fepetra momba ny hamehana ara-pahaslamana manoloana ny fisian'ny valan'aretina Coronavirus eto Madagasikara... ♦ Mirongatra ny tazomoka any amin'ny faritra Anosy. Misy ny efa maty vokatr'izany... ♦ Laharam-pahamehana amin'ny fanombohan'ireo mpianatra hiatrika fanadinam-panjakana amin'ny fampianarana any an-tsekoly ny famerenana ny fifantohana eo amin'izy ireo...

♦ Olona 52 amin'ireo 121 mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus no efa sitrana ka nalefa nody any amin'ny fianakaviany... ♦ Isan'ireo mararin'ny Coronavirus ka sitrana ny mpitandrina Riana Lalasoa Razafintsalama. Harahantsika ny fijoroana ho vavolombelona nataony... ♦ Niverina an-tsekoly naomboka omaly ireo mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana Bakalorea sy ny BEPC manerana ny Nosy...

♦ Mitombo hatrany ny olona sitrana eto Madagasikara tamin'ireo nitondra ny tsimok'aretina Coronavirus tato anatin'ny 24 ora. 08 no olona sitrana, tsy nisy mihitsy anefa tato anatin'ny telo andro ireo olona vaovao voaporofo fa mitondra ny tsimok'aretina... ♦ Homen'ny fitondram-panjakana tambikarama manokana ireo mpiasan'ny fahasalamana ho fankasitrahana sy fampirisihana azy ireo amin'ny asany...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...