♦ Hamoaka ny atao hoe "Manuel de l'Expert" ireo manam-pahaizana manokana miara-miasa amin'ny Fitsarana, ahafantaran'ny olona ny ilàna azy ireo amin'ny raharaham-pitsarana... ♦ Anatain'ny fandinihana, ka hirosoana amin'ny fankatoavana, ny volavolan-dalàna momba ny angovo azo avy amin'ny akora biôlôjika sy mikajy ny tontolo iainana na ny BioEnergie, izay ho ampiharina eto Madagasikara... ♦ Mila miray hina amin'ny fandraisana fanapahan-kevitra amin'ny fitantanana ny firenena ny governemanta hoy ny mpandinika fiaraha-monina iray, raha tiana hisy ny fifidianana anatin'ny fitoniana sy ny filaminana...
♦ Naneho hevitra momba ny didy navoakan'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana ny sabotsy teo, ny Filohan'ny antoko Monima. Tsy mifanaraka amin'ny lalàna ny famerana ny anto-bola amin'ny firotsahana ho fidiana ho Filoham-pirenena, hoy Andriamatoa Monja Roindefo... ♦ Dinihana mandritra ny telo andro nanomboka androany eny amin'ny Antenimiera ny volavolan-dalàna momba ny angovo azo avy amin'ny akora biôlôjika ary mikajy ny tontolo iainana na ny Bio-énergie...
♦ Nodimandry tampoka ny maraina teo Andriamatoa Olivier Rakotovazaha, filoha nasiônalin'ny antoko MFM. Anisan'ireo nitaky ny hanadiovana ny tokontany mialoha ny fifidianana izy, fony fahavelony manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny... ♦ Tokony esorina tamin'ny toerany ny filohan'ny SENAT, raha nandà nomena fahefana hitantana ny firenena, hoy ny antoko Fiombonana. Mametra-panontaniana ity antoko ity, amin'ny antony tsy nandraisany izany fahefana izany... ♦ Manome fe-potoana ny fitondrana hatramin'ny 10 ôktôbra izao ny SECES Sampana Antananarivo, hamerina amin'ny laoniny ny fampianarana eny Ankatso. Miankina amin'ny Fanjakàna ny fitsinjovana ny zana-bahoaka eny amin'ny Anjerimanontolo...
♦ Samy naneho ny heviny ireo kandidà h filoham-pirenena omaly, momba ny nandavan'ny filohan'ny Antenimieran-doholona ny fahefana nomena azy hitantana ny Firenena. Tsy afaka ny hanery azy ny HCC hoy ny filohan'ity andrim-panjakàna ity... ♦ Miantso ireo mpanao politika hampitsahatra ny fifampiatsiana amin'izao mialoha ny fifidianana izao ny ministry ny fiarovam-pirenena. Manana anjara andraikitra lehibe hampizotra ny fifidianana anaty filaminana ny Foloalindahy hoy izy... ♦ HIroso amin'ny fitokonana fanairana ireo mpiasan'ny Ministeran'ny toe-karena sy ny Vola. Hetsika ho fisintonana lakolosy manoloana ireo fitakiana nataon'izy ireo, efa iray volana sy tapany lasa izay, saingy mbola tsy nisy valiny...
♦ Nosokafana androany ary haharitra 3 andro ao Mahajanga ny fihaonan’ny fikambanana masina hivondronan’ny tokantrano kristianina avy amin’ny Arsidiôsezy Avaratra… ♦ Nifantoka tamin’ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly ao amin’ny kolontsaina sy ny fampanaraham-bolontany ny Evanjely ny votoatin’ny katesizin’ny Papa François ny alarobia 20 septambra 2023… ♦ Nanomboka androany ny fitsidihana apôstôlika faha-44 ataon’ny Ray Masina any Marseille…
Tohiny...Mitondra ny teny fiarahabana sy firarian-tsoa ho antsika, amin'izao fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'ny Mpamonjy izao, i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2023 Radio Don Bosco