I Sahondra sy Ndriana dia ankohonana kely sahirana, ary toy ny omby mahia tsy lelafin'ny namany dia tsy mba tian'i Nary anadahin'i Sahondra mihitsy ry zareo, na izany aza dia niezaka nanatsara ny fiainany izy mianaka, namboly sy niompy. Raiki-pitia tamin'ny Felana zanak'i Mamy kosa i Ndriana, sadaikitra ihany ny reniny noho ny filazany fa tia an'i Felana izy, noho izy olona mahantra nefa i Felana zanaka mpanakarena.

Maro ny olona no sahirana amin'ny voambolana ampiasaina eny amin'ny sehatry ny fitsarana. Talohan'ny nidiran'ny frantsay teto Madagasikara dia nazava sy mora noraisina ny didy navoakan'ny fitsarana malagasy, izay mifanaraka amin'ny rafi-pisainana sy rafi-piaraha-monina nisy. Nandritra ny fanjanahan-tany dia ny teny frantsay no teny nampiasaina tamin'ny tontolon'ny fitsarana, ary niova araka izany ihany koa ny firafitry ny didy ; vokany nihasarotra ny fahazoana ny teny voarakitra amin'ny didy isan-karazany. Ny fahasarotan'ny voambolana ao anatin'ny didy sy eo amin'ny sehatry ny fitsarana dia mba hiazomana ny fahefany araka ilay voalaza hoe "teny baiko"... 

Mpifankatia mpivarotra voninkazo, fandravahana toeram-pilanonana sy fety isan-karazany ary fanao amin'ny fahoriana, i Benja sy Lisy. Mpinamana akaiky i Benja sy Pôta, nahita hevitra hanatsarana ny fidiram-bola amin'ny tokan-tranony avy izy roalahy, dia halatra voninkazo. I Bako sy ny Nenitoany dia mpianaka tia mikarakara voninkazo sy sarotiny amin'ny voly nataony, isan'izany ny voninkazo raozy.

Ny biby masina sy ny biby manambara ratsy dia mety miova dika sy hevitra araka ny toerana sy ny fotoana : misy ireo fady taloha fa efa fampiasa sy fihinana amin'ny fotoana aty aoriana ; misy ireo fady amin'ny toerana hafa fa tsy fady amin'ny toerana sasany. Ny tandindon'ireo loza mety hiatraika amin'ireo mpanao ny fomba no mamaritra ireo biby hampiasainy. Ny ra dia aina ary izay no antony mahatonga ny maro tsy mihinana ra na biby nalatsa-dra. Ny Gana na kana, ny gisa, ny dokotra sy ny vorontsiloza dia samy biby avy any ivelany no nampidirina teo Madagasikara, isan'ny antony tsy dia nampiasa azy ireny tamin'ny riba hatramin'izay... 

Sous-catégories

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...