Ny "Rasavôlana" dia lahabolana fanaon'ny faritra afovoany atsinanana sy ny atsinanan'ny nosy, izany hoe mampiavaka an'ireo Sihanaka, Bezanozano, Betsimisaraka. Ny voambolana "Rasavôlana" dia avy amin'ny teny roa "Rasa" + "Vôlana", izay midika ho fizarana fitenenana. Resaka hifanaovana, hifamalin-dresaka, fampahafantarana izay natao na izay vao hatao no antony hanaovana ny "Rasavôlana", fanao amin'ny fanolorana zavatra, fitsofan-drano, fandraisana vahiny, fanatanterahana fomba. Ny "Rasavôlana" dia matetika lehilahy no tena manao azy... 

Mianatra eny amin'ny Oniversite i Felana, manana aretina mitaiza azy ny reniny, sahirana ny fianakaviana anefa manao ezaka amin'ny fampianarana mba hampivoarana ny fiainan'ny fianakaviana. Fianakaviana iray no misy an'i Tony sy Lova, isan'ireo manana ary mahavita miantoka ny sara-pianarana. Mpiara-mianatra i Rojo sy Felana ary i Lova, mahay indrindra sy tia mianatra i Felana. Noraran'i Rojo tsy hifanerasera amin'i Felana i Lova, fantatr'ity farany tamin'ny resaka nifanaovan'izy ireo fa tsy finamanana tsotra no misy amin'i Rojo sy Felana fa fitiavan-tena.

Ny famantaranandron'ny Ntaolo dia miresaka ireo hita mandritra ny andro sy ny re mandritra ny alina ; ohatra : misafo helika ny kary dia amin'ny 2ora maraina. Tsy mitovy tanteraka ny marika andron'ny faritra samihafa eto amin'ny nosy Madagasika. Ny fikisaky ny haloka no isan'ny nahafahan'ny Ntaolo nanamarika ny andro ihany koa ; ny haloka na ny tandidona lava indrindra rehefa maraina miposaka masoandro ho an'ny olona iray dia 28 dia, rehefa tonga ny amin'ny 12 ora ataondro dia 3 dia sisa ny aloha tazana eo ambanin'ny olona iray mijoro. Any amin'ny Faritra dia ny haloky ny trano no marika andro...

Fianakaviana iray, Alphonse sy Ramatoa Olga ary manana zanaka lahy iray atao hoe Pascal, azo sokajiana manana ny mahaizy ary manana fototr'asa tsara. Ny fianakaviana Rebeka, fianakaviana sahirana, niezaka nitady hevitra hampivoarana ny fianakaviany anefa ilay ramatoa renim-pianakaviana. Samy nividy trano sy tany amin'ny toerana tsy lavitry ny renivohitra ireo fianakaviana ireo, tsy nampozina anefa fa trano iray sy tany mitovy no namidin'ny mpisoloky tamin'izy ireo...

Sous-catégories

[Miara-dàlana] Zoma 20 septambra 2024

♦ Avy amin'ny Hazofijaliana no ahatsapantsika ny fitiavan'Andriamanitra izay mitondra hafaliana ho antsika ka zaraintsika amin'ny hafa, io no nivoitra tamin'ny fankalazana ny fanandratana ny Hazofijaliana sy nanamarihana ny faha-60 taona naha relijiozy an'i Sr Délphine Marcelle Razanamiadana, avy amin'ny fikambanana Sœurs Notre-Dame du Cénacle... ♦ Eglizy Misiônera velomin'ny finoana, nahitana taratra ny firahalahiana sy ny fangorahana, io no tsapan'ny Papa François tamin'ny fitsidihana apôstôlika nataony tany Azia sy Oseania...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...