Ny volana Alohotsy no volana mamarana ny taona ka ny vody alohotsy no hitana amin'ny Alamady izay misy ny andro taom-baovao raha ny fankalazana nofaritan'ny Trano kolotoraly Malagasy. Ny antony nampisampana ny hevitra momba ny andro hanamarihana ny taom-baovao dia noho ny teny midina nomen'ireo andria-manjaka nitondra ny tany sy ny firenena ; maro no namadika ny taom-baovao hifanaraka amin'ny tsingerin-taona nahaterahany. Ny afo tsy maty dia azo alaina amin'ireo olona, izay velon-dray aman-dreny, manana afo mirehitra. Ny rano hidiovana na hanaovana fafirano dia rano nafanaina tamin'ny vilany tany vaovao na vilany vaovao, hapetraka eo an-joro firariazana, alaina amin'ny tanana ny rano ary hatao an-tampindoha ka harahina teny hoe : "sambasamba Andriamanitra Andriananahary, ho arivo ho tratry ny taona, tsy hisara-mianakavy izahay"...

Kamboty ary taizan'i Mamazay, nenitoany i Maholy. Nifankatia tamin'i Tahina mpiara-nianatra taminy izy ary nitoe-jaza. Tia an'i Maholy tokoa i Tahina ary nisafidy ny andron'ny mpifankatia na "Saint Valentin" hanaovana ny vodiondry. Nisedra olana maro anefa ny fitiavan'izy roa : anisan'izany ny fifindra-monina nahavoatery an'i Tahina handao an'i Maholy... 

Ny didy savaravina (=ADD) dia didy tsy raikitra mivoaka aorian'ny matoan'ny didim-pitsarana (=minutes), izay didy mety mbola hiova. Ny tiana ambara amin'ny hoe onitra "OMBY SISA MITA" dia ilazana ny onitra tsy maintsy hefaina miaraka sy mitambatra, ary tsy maintsy haloa na efa nisy ampahan'olona voampanga aza efa nanefa ny onitra. Dika teny (Mpisolovava = avocat) (Mpitsara=Juge, magistrat) (Tonia = Procureur) (taha-dikan-didim-pitsarana = jurisprudence). Matetika re ny hoe "Fitsarana tsy mahefa", ny antony io dia matetika misy tranga vaovao na antotantaratasy miditra ka tsy tandrify ny sampam-pitsarana iray intsony ny hadirin'ny ady hany ka mila ho "TSY MAHEFA" ny fitsarana ary mandrisika ny hitondrana ny raharaha amin'ny tendrom-pitsarana hafa manoka.

Noroahan'ny tompon'ny orinasa niasany i Radezy sy i Tolotra satria noho ny tsy fahafahan'ireo mpampiasa manohy ny fitantanana. Sahiran-kevitra i Rasendra sy Radezy vadiny ny amin'ny asa tokony hatao indray mba ho fidiram-bola. Nahita asa i Tolotra ka mpiandry tanàna no andraikitra amin'izany, ary nandeha nihaona tamin'ilay olona mpampiasa izy ireo. Trano vao nahorina no misy eo amin'ilay toerana iasan'izy mianaka, ka fitaovana sy ankora hanohizana ny fananganana trano no andrasana ao. 

Sous-catégories

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...