Fomba ahafahana mampitombo ny voka-bary eto Madagasikara ny teknika fambolem-bary voizin'ny Papriz. Faritra 22 moa no iasan'ity tetik'asa ity izay efa nanomboka niasa tamin'ny taona 2008 tamin'ireo faritra 05 anivon-tany.
Mandalo eo amin'ny fiainan'ny mpivady ny fahadisoam-panantenana. Ny fifampiresahana eo amin'ny mpivady miampy ny fandavantena sy ny fahatozoana no ahafahany mifankahery sy mifanohana amin'izany. Ny faharetana amin'izany no hampisy ny fahasambarana eo amin'ny fiainan'ny mpivady...
Raha vao miteny hoe "manana ny maha izy azy" matetika dia toa manondro olona malaza izay. Ny tanjona anefa dia ny mba hananan'ny olona toetra : hijoro, hahaleotena, hanana hevitra manokana fa tsy hanaraka ny hafa, ho matotra. Fehiny mba ho olom-banona amin'ny lafiny rehetra. Katesizy momba ny famolavolana ny maha izy ny tena, iarahana amin'i P. Rakotomanantsoa Jean Louis.
♦ Mbola mamerina ny antso mba hisian'ny fitoniana sy ny filaminana, ka haneho fifandeferana sy ny hamom-po pôlitika handresena ny kere sy ny Covid-19 ny CFM. Miatrika fivoriana ara-potoana faharoa moa ity rafi-panjakana ity, nanomboka androany... ♦ Niverina nitokona indray androany, ireo mpiasan'ny Paositra Malagasy. Misy ny hetsika firaisan-kinan'ireo mpiasan'ny Paositra manerana ny Nosy, mandritra ny tapak'andro, ho an'ny rahampitso sy amin'ny sabotsy izao...
♦ Efa vonona amin'ny fandraisana ny vahiny hanatrika ny fanamasinana Eveka amin'ny 13 ôktôbra 2024, ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Tsy maintsy mitondra ny anjara birikiny, hoy ny Papa François, ireo mpandray anjara amin'ny fihaonana faharoa amin'ny Sinaody, mba ho tanteraka ny hoe Eglizy miara-dia... ♦ Nihaona tamin'i Sadyr Japarov, Filoham-pirenen'i Kirghizistan, ny Papa François ny maraina teo...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco