Ny fanaovana ny asa fanasoavana dia ilaina lanjalanjaina satria nomen'Andriamanitra ny fahafahana handalina isika. Ny fahamaroan'ny fikambanana dia ahafahana maneho fahasamihafana sy fifamenoana. Katesizy momba ny fanehoana harem-panahy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
♦ Nampikatso ny asa aman-draharaha rehetra amin'ny fadin-tseranana manerana ny nosy manomboka androany, ireo mpiasa ao amin'ny SEMPIDOU. Tsy nasahakana ny fitokonan'izy ireo ny fandrarana nataon'ny Préfet-n'ny Polisin'Antananarivo... ♦ Nisavorovoro tanteraka ireo mpikambana ao amin'ilay vaomiera manokana mikarakara ny fifidianana, izay ho solontenan'ny fiaraha-monim-pirenena eo anivon'ny CENI. Nisokatra nanomboka androany ny fahafahan'ireo kandidà manatitra ny firsotsahan-ko fidiany eny Alarobia...
Manentana antsika ny Papa François mba hitondra am-bavaka ny sinaodin'ny eveka (2021-2023), momba ny lohahevitra hoe : "Eglizy miara-dia : fiombonana, fandraisana anjara, asa fanirahana"
Ny fifanampiana eo amin'ny olona roa na mpivady na mpianaka dia mampifanaiky am-po ary miteraka fifampitokisana ka mahatonga fahatsaram-piainana eo amin'ny fifandraisana. Fandraharana "Mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
♦ Ankalazain'ny Eglizy maneran-tany amin'ity andro ity ny fetin'i Masina Maria Mpanjakavavin'ny Rôzery. Misy ny fandaharam-potoana anentanan'ireo avy ao amin'ny Fraternité Laïque Dominicaine, eto Antananarivo, amin'ny alalan'ny Facebook, andraisantsika anjara iombonana amin'ny maneran-tany... ♦ Zanaky ny Fiangonana, miisa 50 no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana tao amin'ny Distrikan'Ambodibonara, Arsidiôsezin'i Toamasina...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco