♦ Manodidina ny arivo ireo olona niakatra tao Farafangana Renivohitra omaly, mitaky ny hamoahana Ben'ny Tanana sy ny mpitarika ny Kalony any amin'ny Kaominina 19 izay niavian'izy ireo, izay voasambotra naiditra am-ponja vonjy maika ao Farafangana... ♦ Hamafisina hatrany ny fiaraha-miasa sy ny fikatsahana ny tombon-tsoa iombonana amin'ireo nosy manodidina, hoy ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena. Tafiditra amin'izany ny fiarovana ny sisin-tany...
Ny fanampiana dia azo atao amin'ny fomba maro : fotoana, fahalalana, talenta, fananana, vola. Raha misy ny faharesen-dahatra noho ny fanarahana ny fandaharana "mba ho vanona" dia tanteraho fa hanova ny fiainanao. Fandraharana "Mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
Tsy ampy ny fahalalana hoe "mila manaja fitsipi-pifehezana" fa ny tena zava-misy marina no tokony hampahafantarina ny ray aman-dreny. Maro ireo loza mandindona ny fanabeazana sy ny fampianarana : tranga misy eo anivon'ny ankohonana, tranga mahakasika ilay zaza mivantana, zava-misy eo anivon'ny fiaraha-monina ary ny olana mahakasika ny mpampianatra. Ohatra ny hoe lasa fahazarana ny fiatrehana ny fiainana ka tsy ampy manaraka izay ny fifampizarana fitiavana eo amin'ny mpianakavy, eo koa ny olana ara-tsakafo, ny ankivy ara-pahasalamana...
Alarobia 27 oktobra 2021 — Herinandro fahatelopolo mandavantaona — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 13, 22-30
♦ Ankalazain'ny Eglizy maneran-tany amin'ity andro ity ny fetin'i Masina Maria Mpanjakavavin'ny Rôzery. Misy ny fandaharam-potoana anentanan'ireo avy ao amin'ny Fraternité Laïque Dominicaine, eto Antananarivo, amin'ny alalan'ny Facebook, andraisantsika anjara iombonana amin'ny maneran-tany... ♦ Zanaky ny Fiangonana, miisa 50 no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana tao amin'ny Distrikan'Ambodibonara, Arsidiôsezin'i Toamasina...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco