Mpiasa an-trano i Liza ary fianakaviana efa-mianaka no mpampiasa azy. Nandeha nitsangatsanga mba hialavoly izy efa-mianaka ; noho ny tonga tamin'ny toerana nokasaina haleha dia nanapa-kevitra ny hizara roa hitsidika toerana samihafa. Niaradia ny rainy sy i Ravo, fa nisafidy lalana hafa i Rova sy ny reniny ; teny an-dalana hizaha rian-drano ireto farany no nisy tranga hafahafa satria nanjavona i Rova, izay tsy nahitàna fanazavana.
♦ Tontosa teny amin'ny Cénacle Ambohipo, ny 10 hatramin'ny 13 nôvambra 2022 ny Filankevitra Nasiônalin'ny Vovonam-pirenena Katôlikan'ny Ankizy... ♦ Ny mikasika ny dikan'ny faharetana no fampianarana nentin'ny Papa François, nitarihana ny sain'ny mpino, ny alahady 13 nôvambra 2022, nandritra ny vavaka Angelus... ♦ Mpikambana 150 amin'ireo mpilatsaka antsitrapo iraisam-pirenena, mivondrona ao amin'ny Fédération des Organismes Chrétiens de Service International de Volontariat, no nihaona tamin'ny Papa François, androany maraina...
14 nôvambra — Teraka ny 27 desambra 1737 tao Saragosse tao Espagne i Joseph Pignatelli. Avy amin'ny fianakaviana andriana izy. Italianina izy avy amin'ny rainy, Antonio Pignatelli, fa ny reniny kosa espagnole, Francesca Moncayo-Fernandez de Heredia. Mbola vao efa-taona monja i Joseph no maty ny reniny, ary nobeazina tany Naples izy.
Rehefa dinihina dia tsapa fa maro ireo zavatra tsy tafita amintsika mpanabe sy ray amandreny ankehitriny. Mila fiheverana akaiky ny amin’izany, mila fandinihana lalina koa, mba hiarenan’ny fiaimpiainana sy ny fomba fiheverana ary ny fomba fisainana mety mivaona na mitsipaka tanteraka ny soatoavina ambony indrindra, dia ny fiarovana sy fiahiana ny AINA.
♦ Ankalazain'ny Eglizy maneran-tany amin'ity andro ity ny fetin'i Masina Maria Mpanjakavavin'ny Rôzery. Misy ny fandaharam-potoana anentanan'ireo avy ao amin'ny Fraternité Laïque Dominicaine, eto Antananarivo, amin'ny alalan'ny Facebook, andraisantsika anjara iombonana amin'ny maneran-tany... ♦ Zanaky ny Fiangonana, miisa 50 no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana tao amin'ny Distrikan'Ambodibonara, Arsidiôsezin'i Toamasina...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco