Tantaram-pianakaviana telo mianaka miaina anatin'ny fananana. Seth sy Rina dia mpianadahy samy miaina anaty rendrarendra isan-karazany. Tovolahy be famaliana ary mpamalivaly i Seth, mpinamana amin'i David izy, ary mifampitarika amin'ny fifohana zava-madomelina sy fisotrohana toaka. Nandratra ny fon'i Ramatoa Lala renin'i Seth sy Rina ny fampiasàn'izy ireo fomba fiteny tenin-jatovo, izay midika ho famingavingana.
26 desambra — I Masindahy Étienne dia iray amin'ireo diakra fito nofidian'ny Apôstôly, mba hanampy azy ireo tamin'ny asa fanirahana sy ny fitoriana natony. Ao amin'ny boky mitantara ny Asan'ny Apôstôly toko fahenina sy fahafito no ahitantsika ny tantaram-piainany amin'ny antsipiriany, amin'izany iraka nataony izany, na ny nifidianana azy ho diakra, na ny nisamborana azy.
Ny Aina sy ny famonjena dia mifamatotra sady tsy misaraka, koa mila mpamonjy izay rehetra tandindomin’ny loza dia ny fahafatesana. Rariny àry ny mampahatsiahy eto fa i Jesoa no hany Mpamonjy antsika, satria ny hamonjy antsika olombelona mba tsy ho faty mandrakizay sy hiaro ny Aina no nahatongavany teto an-tany. Ny kristianina tsirairay izay samy mpanara-dia Azy moa dia natao haka tahaka Azy, ka voalohan’adidin’ny mpino ny mifarimbona hiaro ny Aina sy hiahy ny ain’ny hafa.
Mitondra ny teny fiarahabana sy firarian-tsoa ho antsika, amin'izao fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'ny Mpamonjy izao, i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice.
♦ Ankalazain'ny Eglizy maneran-tany amin'ity andro ity ny fetin'i Masina Maria Mpanjakavavin'ny Rôzery. Misy ny fandaharam-potoana anentanan'ireo avy ao amin'ny Fraternité Laïque Dominicaine, eto Antananarivo, amin'ny alalan'ny Facebook, andraisantsika anjara iombonana amin'ny maneran-tany... ♦ Zanaky ny Fiangonana, miisa 50 no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana tao amin'ny Distrikan'Ambodibonara, Arsidiôsezin'i Toamasina...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco