02 septambra — I Masimbavy Ingrid dia zafikelin’ny mpanjaka tao Suède, zanak’i Knut mantsy ny reniny. I Knut io ilay mpanjaka tao Suède. Rehefa maty ny vadin’i Ingrid dia nandeha nanao fivahinianana tany amin’ny Tany Masina izy.
♦ Fandalinam-pinoana sy fanentanana ho an'ny fiarovana ny tontolo iainana, ary hetsika ara-kolontsaina no nanohizana ny JMJ any Antsirabe androany... ♦ Namoaka fananmbarana, manoloana ilay raharaha namoizana ain'olona tany Ikongo sy tany Ambolotarakely Ankazobe ny FFKM androany. Mangataka ny hisian'ny fisonam-pirenena kosa ny RMDM, nanoloana io zava-nisy tany Ikongo io... ♦ Nitokona sy nidina an-dalambe teny Ankatsoa indray androany ireo mpianatry ny Oniversiten'Antananarivo, nitakiana vatsim-pianarana mbola tsy voaloa. Voatery niditra an-tsehatra ny mpitandro ny filaminana...
Alarobia 31 aogositra 2022 — Herinandro faharoa amby roapolo mandavantaona — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny fanambarana avy amin’ny vavanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 4, 38-44
♦ Fifandonan'ny mpitandro ny filaminana sy ny andian'olona tany Ikongo omaly : tafakatra ho 21 ny isan'ny maty, 24 ireo naratra, araka ny tatitra nivoaka androany. Nidina ifotony namangy ireo maratra sy ny fianakavian'ny maty ny iraky ny fitondram-panjakana... ♦ Natomboka androany teny Alarobia ny atrikasa fampahafantarana ny drafitr'asa mandritra ny fe-potoam-piasan'ny CENI, sy ny fomba hanatanterahana ny fanavaozana ny lisitry ny mpifidy... ♦ Nampahafantarina teny amin'ny Carlton Anosy, ny vokatra ôfisialin'ny fanadihadiana momba ny mponina sy ny fahasalamana na ny EDS andiany fahadimy...
♦ Feno 12 taona amin'ity taona 2024 ity ny nananganana ho olomasina an'i Masindahy Jacques Berthieu... ♦ Hankalaza ny faha-130 taona niorenan'ny fikambanana sy ny faha-75 taona nahafatesan'ny Vénérable Mère Marie des Anges, ny fikambanana masera Carmélites de Sainte Thérèse de Turin, ny 6 ôktôbra 2024... ♦ Namarana ny famangiana apôstôlika andiany faha-46, nataony tany Luxembourg, ny Papa François omaly...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco