♦ Natolotra tamin'ny fomba ôfisialy, ny alahady voalohany amin'ny Karemy, ny hira fanevan'ny JMJ Mada faha-10... ♦ Kristianina dimy amby efapolo no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana tao amin'ny Aomônerian'ny Miaramila, nandritra ny fitsidihana pastôraly nataon'ny Arsevekan'Antsiranana, ny alahady 6 marsa 2022... ♦ Nanatitra sakafo sy fanafody ireo mpiasa rehetra tao Vatican androany, ho firaisam-po amin'ny Papa François amin'ireo lasibatry ny ady any Ukraine...
07 marsa — I Perpétue sy Félicité dia martiry afrikanina voalohany voarakitra an-tsoratra ny namonoana azy. I Perpétue dia "patricienne" fa i Félicité kosa dia andevo. Nangataka hatao batemy tamin'ny eveka tao Carthage izy roa ireo.
Herinandro voalohany amin'ny karemy. Fanamafisana ny vavaka sy ny finoana mba hanana faharetana amin'ny fihavaozam-panahy. Tohizantsika hatrany ilay fandinihana masina efa natombontsika hatramin’ny alarobian’ny lavenona teo. Ka amin’ity herinandro ity isika dia handalina bebe kokoa ny fibebahana sy izay fomba anehoantsika azy eo amin’ny finoana sy ny fivavahana. Iarahana amin'i P. Aimé Olivier Mahatsangandrainy,Sdb
Alahady 6 marsa 2022 — Alahady voalohany amin'ny Karemy — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 4, 1-13
♦ Ankalazain'ny Eglizy maneran-tany amin'ity andro ity ny fetin'i Masina Maria Mpanjakavavin'ny Rôzery. Misy ny fandaharam-potoana anentanan'ireo avy ao amin'ny Fraternité Laïque Dominicaine, eto Antananarivo, amin'ny alalan'ny Facebook, andraisantsika anjara iombonana amin'ny maneran-tany... ♦ Zanaky ny Fiangonana, miisa 50 no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana tao amin'ny Distrikan'Ambodibonara, Arsidiôsezin'i Toamasina...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco