Voakitikitika ny amin'ny lafiny rehetra amin'io tombontsoa iomboana io, rehefa difotry ny fitiavam-bola ny olombelona. Tadidio fa misy fiantraikany amin'ny olona hafa any an-kafa ny fomba fiainantsika sy izay ataontsika satria mifamatotra ny fiainantsika andavanandro. Ny soa iombonana no fanantenantsika kristiana, fanantenana izay hahasoa ny olombelona. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo.
Tovovavy iray anatin'ny olana i Mendrika, rehefa nahazo antso miafina avy aminà fikambanana mampiely fanahy ratsy, ary Toky no sendra azy, rehefa nitanondrika tao anatin'ny olana lalina iry voalohany. Tsikaritr'i Rina ny fihetsika nataon'i Toky nanoloana an'i Mendrika ary nahatonga hasarota-piaro an'i Rina izany, ary rafitr'ady izy roa vavy. Rehefa nifanazava teo izy telo dia nazava ihany ny anton'ny fihetsika hitan'i Rina, ary nanolo-tena hanampy an'i Mendrika, izy roa.
♦ Sarotra ny miaina ny fanetren-tena, fa efantsika izany rehefa miaraka amin’Andriamanitra, hoy ny Arsevekan’Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison, tamin’ny fanokafana ny Jobily faha-800 taonan’ny fiainan’ny Fransiskanina… ♦ Tsy manery, fa manaja tanteraka ny fahafahan’ny olombelona Andriamanitra, hoy ny votoatin’ny fampianaran’i Papa François tamin’ny Angélus, omaly… ♦ Nanavao ny antso mba hisian’ny fanajana ny zo aman-kasin’ny maha olona ao Gaza, ny Papa François…
Manentana ny kristiana rehetra mba hiombom-po aina sy hanadram-bavaka ho an'ny firenena, manoloana izao kihon-dalana, sy ho an'ny soa iombonana. Efa betsaka ny ra latsaka sy ny aina efa nafoy, nanomboka ny taona 1972, noho izany dia miantso fitonina ho an'ny rehetra. Manentana ny rehetra mba hampanjaka ny rariny, hanaja ny soatoavina. Ilaina ny fahaizana mifampihaino sy mifanakalo hevitra.
♦ Nodimandry teo amin'ny faha-95 taonany i P. Giovanni Follese, antsoina ihany koa hoe Mompera Joany, avy amin'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco... ♦ Manasa antsika rehetra hivavaka ho an'ny fiofanan'ny relijiozy sy ny seminarista, ny Papa François, ao anatin'ny tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana mey ity... ♦ Tanjona ho an'ny Antilin'i Madagasikara ny hanana fanabeazana tsaratsara kokoa, izany no antony nanatontosan'izy ireo ny fiofanana tao anatin'ny valo andro, izay nanomboka ny 27 aprily hatramin'ny 5 mey 2024, ho an'ny Diôsezin'i Mahajanga...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco