♦ Hatomboka ny fanamboarana ilay lalam-be migodana mampitohy an'i Toamasina sy Antananarivo. Androany no natao teny Iavoloha ny fifanaovan-tsonia hanamboarana izany... ♦ Mitaky ny hampiakarana ny teti-bola ho an'ny Minisiteran'ny Tontolo iainana, ho fiarovana ireo harena voajanahary, ny vondron'ireo fiaraha-monim-pirenena... ♦ Hiverina hamboly amin'ny taniny ireo tantsaha any amin'ny Kaominina Ambahikily sy Tanandava Station, Distrikan'i Morombe, tao aorian'ny dimy taona nanajarian'ny fanjakana azy...
Tokony mahay mifampikarakara, mahay mifanampy amin'ny zavatra, ilàna fifanampiana, ny rehetra na ireo mandrafitra ny fianakaviana na ny mpivady na ny fiaraha-monina. Raha ireo fepetra ireo no tanteraka dia hisy ny filaminana sy ny fahadiovana, izay misy fiatraikany amin'ny toe-tsaina sy ny toe-po. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Desiré Ramakavelo.
Alarobia 2 nôvambra 2022 — Fahatsiarovana ireo nody mandry — Avia, ianareo, ry nohosoavin'ny Raiko, handova ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nahariana izao tontolo izao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 37-40
Tokandrano sahirana ara-pivelomana no iainan'i Naivo sy Bakovololona mivady. Kisendrasendra no nifanenan'i Bakovololona sy i Vero izay mpinamana efa ela. Nahita asa ho an'i Bakovololona i Vero, izay asa mampiahiahy an'i Naivo. Vao voaray tao amin'ny orinasa Enjana i Bakovololona dia efa nahazo karama iray volana ary ilay talen'ny orinasa no milaza handoa ny hofantrano sy jiro ary rano lanin'ireto mpivady ireto. Nahitàna porofo ny fiarahan'i Bakovololona sy ny talen'ny orinasa.
♦ Ankalazain'ny Eglizy maneran-tany amin'ity andro ity ny fetin'i Masina Maria Mpanjakavavin'ny Rôzery. Misy ny fandaharam-potoana anentanan'ireo avy ao amin'ny Fraternité Laïque Dominicaine, eto Antananarivo, amin'ny alalan'ny Facebook, andraisantsika anjara iombonana amin'ny maneran-tany... ♦ Zanaky ny Fiangonana, miisa 50 no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana tao amin'ny Distrikan'Ambodibonara, Arsidiôsezin'i Toamasina...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco