Ny mpandimby ny Apôstôly, izany hoe ny Eveka, no eken'Izy Jesoa Kristy ho mpiandry ondry ao amin'ny Egliziny Vatany Masina mandra-pahatapitr'izao tontolo izao. Izany no mahasarotiny ny Eglizy ka hitandremany mafy mikasika ny fomba hifidianana izay ho Eveka hiahy ny ondrin'Andriamanitra. Katesizy momba ny fiangonana, iarahana amin'i P. Rafidison Abdon.
Tavela tany amin'ny toerana lavitry ny tanàna i Naina sy Njaka, fa simba ny fiara noentiny, sahabo ho 20km eo ho eo. Nanan-kevitra ny hitady vahaolana hamboarana ny fiara ary koa nizaha sakafo hohanina. Teo ampakàna rano hosotroina tamin'ny renirano iray i Naina no nahita trangan-javatra hafahafa ; hitany taratra tao anaty rano, vehivavy tsara tarehy sy miankanjo lava tsara. Raiki-tahotra izy roalahy nandritra iny fotoana iny.
♦ Efa tafatsangana ny kaomisiôna 11 handrafitra ny fanomanana ny fanamasinana ho eveka, an'i Mgr Donatien Francis Randriamalala, izay hotontosaina amin'ny volana janoary 2023... ♦ Tontosa ny fomba fangatahana an'i Mgr Donatien Francis Randriamalala, nataon'ny delegasôna avy amin'ny diôsezin'Ambaja tao amin'ny diôsezin'i Morondava... ♦ Notsofin-drano omaly ny Birao vaovao hitantana indray ao anatin'ny efa-taona ny Vovonam-pirenena Katôlikan'ny Tanora...
19 desambra — Ny papa Urbain V no papa faharoanjato, nitantana ny Fiangonana nanomboka ny taona 1362 hatramin'ny 1370. Ny 10 marsa 1870 ny papa Pie IX no nanao sonia ny didy hitsivolana hanandratana azy ho olontsambatra. Teraka tamin'ny taona 1310 tao amin'ny lapan'i Grizac izy. Guillaume de Grimoard no tena anarany.
♦ Ankalazain'ny Eglizy maneran-tany amin'ity andro ity ny fetin'i Masina Maria Mpanjakavavin'ny Rôzery. Misy ny fandaharam-potoana anentanan'ireo avy ao amin'ny Fraternité Laïque Dominicaine, eto Antananarivo, amin'ny alalan'ny Facebook, andraisantsika anjara iombonana amin'ny maneran-tany... ♦ Zanaky ny Fiangonana, miisa 50 no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana tao amin'ny Distrikan'Ambodibonara, Arsidiôsezin'i Toamasina...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco