♦ Nahatsiaro ireo 49 mianadahy lavo noho ny tolona ho an'ny fahafahana sy ny fijoroana ho an'ny fitiavan-tanindrazana, tamin'ny 7 febroary 2009, ny fitondram-panjakana notarihan'ny Filohan'ny Repoblika... ♦ Mandrahona ny hiverina hitokona sy hanamafy ny hetsika fitakiana indray ny sendikan'ny Mpirakidraharaha... ♦ Namaky bantsilana ny fomba tsy ara-drariny sy tsy ara-dalana nahazoan'ny olona tany 9 hektara eny amin'ny Kaominina Alasora, Distrikan'Antananarivo Avaradrano, androany, ny Transparency International Initiative Madagascar sy ny Sehatra Iombonana ho an'ny Fananan-tany...
Ny hoe "velon-dray aman-dreny" dia ireo manana ray sy reny, samy mbola velona na misara-toerana aza. Ara-tantara dia hatramin'ny nanjakan'Andriamanelo, nandalo tamin'ny fitondran'Andriamasinavalona ary hatramin'ny nanjakan'Andrianampoinimerina, no nisy sy nanana ny lanjany ary ny voninahiny ombana hasina ny "velon-dray aman-dreny"...
Toa tsy mifanaraka amin'ny anarana entiny hoe "kristiana" intsony ny zava-misy ankehitriny ; maika ery ny olona te ho tonga kristiana fa malaina ny hiaina azy avy eo. Hita izany amin'ireo mangataka hiroso handray ny sakramentan'ny Batemy. Maro ireo miaina ny afobe satria efa miandry azy any an-tranony na eny amin'ny fiaraha-monina ny olana maro : ady lova, fifampiandaniana, fialonana, fankahalana, fahantrana. Katesizy momba ny fitiavan'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
Ankohonana iray sahirana ara-pivelomana no misy an'i Koloina. Tsy nomeny fiaraha-monina hasina ity zazavavy fa zaza sary sy mahantra. Mangataka no fomba hanampian'i Koloina ny reniny, izay mpaka rano sy mpanary fako. Noentin'i Harena tany an-tranony i Koloina, ary niaran'ny teny mahery sy fanilikilihana ilay zazavavy....
♦ Ankalazain'ny Eglizy maneran-tany amin'ity andro ity ny fetin'i Masina Maria Mpanjakavavin'ny Rôzery. Misy ny fandaharam-potoana anentanan'ireo avy ao amin'ny Fraternité Laïque Dominicaine, eto Antananarivo, amin'ny alalan'ny Facebook, andraisantsika anjara iombonana amin'ny maneran-tany... ♦ Zanaky ny Fiangonana, miisa 50 no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana tao amin'ny Distrikan'Ambodibonara, Arsidiôsezin'i Toamasina...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco