31 mey 2023 — Ny Famangian'i Masina Maria — Fankalazana — Sambatra ianao, ry Maria Virjiny satria nino fa ho tanteraka izay nampilazain’ny Tompo taminao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 1, 39-56)
♦ Mpiadina 6 alina mahery avy amin'ny Sekoly Katôlika manerana ny Diôsezy rehetra eto Madagasikara, no niatrika ny CEPE Katôlika, androany... ♦ Mikaon-doha mandritra ny roa andro ety Ivato, ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka, ny OMS ary ireo ray aman-dreny ara-drazana to-teny, mikaroka ny fomba handresena lahatra ny ray aman-dreny, hanao vakisiny ny zanany... ♦ Tsy mandray anjara amin'ny fitsirihana ny rafi-baiko sy ny lisitry ny ho mpifidy, miainga amin'ny antso nataon'ny CENI, ny Hetsika Fampiraisana Kristianina ho an'ny Firenena na ny HFKF...
Ahoana no fomba tokony hiainan’ny Kristiana ankehitriny ao amin’ny Eglizy ny fifanampiana? Ho an’ireo akohonam-piainana kristiana teo aloha dia nisy fiombonana ary nitambarana aiza ny fananana rehetra mba hahafahana miahy ny mahantra. Ny tanjona dia ny hoe hifanampy mba tsy hisian'ny ho sahirana. Katesizy momba ny firahalahian'ny olombelona ho amin'ny firaha-miaina sy ny fisia-miaraka, iarahana amin'i P. Laurant Ratinarivo.
Miasa any an-drenivohitra i Liva fa mody isaky ny faran'ny herinandro any ambanivohitra, tanàna atao hoe Lazaina. Raiki-pitia tamin'i Anja i Liva zanak'i Ramatoa Sahoby. Nifanojo ny heritreritr'izy roa anefa zanak'olona mpanana i Liva, izay tia rendrarendra ka nananatra azy mafy ny reniny mba hanitsy ny toetra ratsiny, mialohan'ny hirosoany amin'ny fifamofoina. Tsy niandry ela i Liva sy ny reniny fa nanantona an'i Anja sy ingahy Rasamy rainy, mba hifandinika momba ny fikasan'i Liva hangataka ho vady an'i Anja.
♦ Avy amin'ny Hazofijaliana no ahatsapantsika ny fitiavan'Andriamanitra izay mitondra hafaliana ho antsika ka zaraintsika amin'ny hafa, io no nivoitra tamin'ny fankalazana ny fanandratana ny Hazofijaliana sy nanamarihana ny faha-60 taona naha relijiozy an'i Sr Délphine Marcelle Razanamiadana, avy amin'ny fikambanana Sœurs Notre-Dame du Cénacle... ♦ Eglizy Misiônera velomin'ny finoana, nahitana taratra ny firahalahiana sy ny fangorahana, io no tsapan'ny Papa François tamin'ny fitsidihana apôstôlika nataony tany Azia sy Oseania...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco