♦ Hanana karatra famantarana manokana ireo mpisehatra ao amin'ny Vaomieran'ny Fifandraisan'ny Mpiara-belona eto Madagasikara, mandritra ny JMJ Mada X... ♦ Ho marihana ny 28 aogositra 2022 ny andron'ny Diôsezy eto Antananarivo... ♦ Mitombo ny fahantrana ao Dublin, Irlande, hoy i Fr. Kevin Crowley...
Kavin'omby maherin'ny 14000 no hapetraka amin'ny omby ao amin'ny Distrikan'Amboasary Atsimo sy Taolagnaro, mialohan'ny faran'ity taona ity. Ny 6700 amin'ireo no ho an'ny Distrikan'i Taolagnaro raha toa ka 7900 kosa ho an'Amboasary Atsimo. Mbola mila entanina hatrany anefa ny tantsaha ahafahana manatratra ny tanjona.
19 aogositra — Teraka tamin’ny 14 novambra 1601 tao amin’ny tanana kelin’i Ri i Jean Eudes. Lahy matoa amin’ny zaza enina nateraky ny ray aman-dreniny izy. Mpandalina tantara tao Mézeray ny rahalahiny.
Tsy tonga ho azy ny fahamasinana sy ny fahalavorariana fa tsy maintsy misy ezaka, avy amin'ny tsirairay amin'ny "fitiavam-bavaka", amin'ny "fitiavana an'Andriamanitra sy ny namana. Izay no mamaritra ny lalana hahatongavana amin'io antso io. Katesizy momba ny antso, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
♦ Ankalazain'ny Eglizy maneran-tany amin'ity andro ity ny fetin'i Masina Maria Mpanjakavavin'ny Rôzery. Misy ny fandaharam-potoana anentanan'ireo avy ao amin'ny Fraternité Laïque Dominicaine, eto Antananarivo, amin'ny alalan'ny Facebook, andraisantsika anjara iombonana amin'ny maneran-tany... ♦ Zanaky ny Fiangonana, miisa 50 no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana tao amin'ny Distrikan'Ambodibonara, Arsidiôsezin'i Toamasina...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco