♦ Hivavaka sy handalina ny finoana no tanjon'ny JMJ Mada X, hoy i Mompera Jean Luc Ratovonjanahay, Amônien'ny Vovonam-pirenena Katôlikan'ny Tanora... ♦ Tontosa ny sabotsy 20 aogositra teo ny fanamasinana ho pretra roa sy diakra dimy, ho an'ny Diôsezin'i Mirinarivo... ♦ Hankalazaina amin'ny 28 aogositra ny Andron'ny Diôsezy eto Antananarivo sy fanamasinana ireo ho pretra sy diakra. Misy ny fandaminana manokana momba izany...
Afaka mitaky ny zony ny kristianina ao amin'ny Fiangonana. Tsy maintsy mandalo fanamarinana anefa izany, mba hahafahan'ny tribonaly eo amin'ny Fiangonana mamakafaka sy manome ny rariny. Ohatra: ny tsy fahavanonan'ny mariazy. Misy dingana arahina, araka ny lalàn'ny Fiangonana, amin'ny fitakiana io zo io. Fanazavana entin'ireo pretra ao amin'ny tribonaly ekleziastika.
Nitondra fampivoarana amin'ny seha-pamokarana eny ambanivohitra ny nananganana ireo ivon-toeram-piofanana mivondrona ao amin'ny FECAMA (Federation des Collège Agrioole de Madagascar). Miisa 5 ireo kolejy mivondrona ao aminy, miparitaka any amin'ny faritra dimy samy eo ambany fiahian'ny vovonam-pikambanana FIFATA avokoa...
26 aogositra — I Zefferino Namuncura dia teraka tamin’ny 26 aogositra 1896 tao Chimpai. Zanak’i Manuel Namuncura izy, fanta-daza tamin’ny tamin’ny fokon’ireo Mapuche izany rainy izany, any amin’ny faritr’i Río Colorado.
♦ Ankalazain'ny Eglizy maneran-tany amin'ity andro ity ny fetin'i Masina Maria Mpanjakavavin'ny Rôzery. Misy ny fandaharam-potoana anentanan'ireo avy ao amin'ny Fraternité Laïque Dominicaine, eto Antananarivo, amin'ny alalan'ny Facebook, andraisantsika anjara iombonana amin'ny maneran-tany... ♦ Zanaky ny Fiangonana, miisa 50 no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana tao amin'ny Distrikan'Ambodibonara, Arsidiôsezin'i Toamasina...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco