♦ Azo ampiasaina ao aorian'ny fanitsiana ny lisi-pifidianana, hoy ny tatitr'ireo manam-pahaizana nanao fitsirihana teny Alarobia androany. Tsy manome antoka hahazoana zotram-pifidianana madio anefa izy ireo, raha ny lisitry ny mpifidy fotsiny... ♦ Nitrangana olana ny famoahana ny valim-panadinana Bakalôrea, ho an'ny Faritanin'Antananarivo. Tsy mety manao ny "délibération" ireo mpampianatra, noho ny tsy mbola nandraisan'ireo mpitsara ny taratasim-panadinana, ny tambin-karamany...
16 aogositra 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahasivy ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Ny Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampahiratra ny masom-panahintsika mba hahalalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 18, 15-20)
Ny vehivavy jody dia tsy nanana asa, ivelan'ny tokantrano, izany hoe mikarakara tokantrano sy ny ankohonany. Manana anjara asa lehibe ny vehivavy, indrindra teo amin'ny tantaram-pamonjena ; niara niasa tamin'i Masina Maria ho fahatongavan'Andriamanitra ho nofo ny Andriamanitra Ray. Tsy azo afangaro ny adidin'ny lehilahy sy ny vehivavy. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Nifamaly i Rainibango sy Rabetokontany satria sarotra ny fitantanana ny rano hanondrahana voly sy tanimbary, tao amin'ny tanànan'Antsampanana. Nifampikasin-tanana izy roalahy ary naratra vokatr'izany i Rabetokontany, nitaraina tamin'i Ramatoa Ravero vadiny izy. I Rabetokontany no filoha mpitantana ny rano fanondrahana ny tanimbary, sady nifamaly matetika amin'ny mpikambana izy no nanodikodina ny volan'ny fikambanana. Nifampitory teny anivon'ny Biraom-pokontany i Rainibango sy Rabe.
♦ Ankalazain'ny Eglizy maneran-tany amin'ity andro ity ny fetin'i Masina Maria Mpanjakavavin'ny Rôzery. Misy ny fandaharam-potoana anentanan'ireo avy ao amin'ny Fraternité Laïque Dominicaine, eto Antananarivo, amin'ny alalan'ny Facebook, andraisantsika anjara iombonana amin'ny maneran-tany... ♦ Zanaky ny Fiangonana, miisa 50 no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana tao amin'ny Distrikan'Ambodibonara, Arsidiôsezin'i Toamasina...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco