Nandrombaka ny medaly volamena ho an'ny taty Afrika sy ny ranomasimbe Indiana tamin'ny fifaninana eran-tany amin'ny famokarana cacao mifanaraka amin'ny kalitao takian'ny tsena iraisam-pirenena ny tantsaha ao amin'ny vondron'ny kaoperativa Lazan'i Sambirano any amin'iny Faritra Diana iny tamin'ny taona 2021. Mbola tantsaha ao aminy koa no nahazo ny medaly alimo...
Ny fahatsapana fa mandalo ny endrik'izao tontolo izao dia tsy manafoana ny andraikitra tokony horaisina eo anivon'ny tantara, na indrindra ny adidy tokony hiasana fa ao anatin'ny lalam-piainan'ny olombelona tanteraka izany, na dia tsy izany aza no hany antony ahavelomana. Didian'Andriamanitra hiasa ny olombelona : izay tsy miasa aoka izy tsy hihinana. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
♦ Tafakatra amin'ny dingana famaranana ny Barean'i Madagasikara, amin'izao Lalaon'ny Nosy faha-11 izao. Tafakatra hiatrika ny lalao famaranana ihany koa ny ekipa malagasy amin'ny taranja Volley Ball, na ny lehilahy na ny vehivavy... ♦ Maro ireo fepetra horaisina sy fandaminana vaovao hatao, hahafahana miatrika ny famaranana ny Lalaon'ny Nosy amim-pilaminana amin'ny alahady izao... ♦ Mbola misy vahaolana ho an'ny famatsian-drano any atsimon'ny nosy, araka ny voka-pikarohana momba ny tahirin-drano any an-toerana, izay navoaka androany...
30 aogositra 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra faharaika amby roapolo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Asehoy ny mpanomponao ny Tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsaranao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 23, 27-32)
♦ Ankalazain'ny Eglizy maneran-tany amin'ity andro ity ny fetin'i Masina Maria Mpanjakavavin'ny Rôzery. Misy ny fandaharam-potoana anentanan'ireo avy ao amin'ny Fraternité Laïque Dominicaine, eto Antananarivo, amin'ny alalan'ny Facebook, andraisantsika anjara iombonana amin'ny maneran-tany... ♦ Zanaky ny Fiangonana, miisa 50 no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana tao amin'ny Distrikan'Ambodibonara, Arsidiôsezin'i Toamasina...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco