10 marsa 2024 — Alahady Fahefatra amin'ny Karemy — Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: ka nomeny ny Zanany tokana; mba hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 3, 14-21)
♦ Naverina nosokafana ao Addis-Abeba, Ethiopie tamin'ny 13 febroary 2024 ny Biraom-pifandraisan'ny Fiombonan'ny Fivondronamben'ny Eveka aty Afrika sy Madagasikara amin'ny Vondrona Afrikanina... ♦ Fanamby ho an'ny Salezian'i Don Bosco ny hanangana tontolo vaovao, araka ny fivoaran'izao tonotolo izao, hoy ny Recteur Majeur, ny Kardinaly Ángel Fernández Artime, tamin'ny fitsidihana miaraka nataony, ho an'ny Faritra Afrika sy Madagasikara... ♦ Hotanterahana ao Rôma ny 20 avrily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i Kardinaly Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco maneran-tany...
Hankalaza ny andron'ny 8 marsa, andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'ny vehivavy ny vehivavy. Tsy diso anjara amin'izany ny malagasy vehivavy tantsaha. Any Toamasina no hanaovana ny hetsika ôfisialy ; maro ny hetsika hanehoana izany... Maro ireo fikambanam-behivavy misiki-ponitra miantsehatra amin'ny fampivoarana ny famokarana any amin'ny toerana misy azy na ny famokarana tantanam-pianakaviana eto Madagasikara.
Volana marsa no hiresahana manokana ny zon'ny vehivavy. Marihana isaky ny 8 marsa ny andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'ny vehivevy. Maro no mihevitra fa fety fotsiny io andro io, tsy izay anefa fa fotoana iray hahafahana mampatsiahy ireo karazan-jo hananan'ny vehivavy sy hitakiana ireo zo mbola tsy voahaja. Betsaka ny zon'ny vehivavy izay voahosihosy. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.
♦ Ankalazain'ny Eglizy maneran-tany amin'ity andro ity ny fetin'i Masina Maria Mpanjakavavin'ny Rôzery. Misy ny fandaharam-potoana anentanan'ireo avy ao amin'ny Fraternité Laïque Dominicaine, eto Antananarivo, amin'ny alalan'ny Facebook, andraisantsika anjara iombonana amin'ny maneran-tany... ♦ Zanaky ny Fiangonana, miisa 50 no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana tao amin'ny Distrikan'Ambodibonara, Arsidiôsezin'i Toamasina...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco