Ny Riba dia fitambaran'ny fomba amam-panao. Fomba dia azo rasaina hoe : F - omba, ka ny "omba" dia toetra sy endrikà na fihetsika. Ny fanaovana "hasovan-jaza" dia misy ireo mijery andro anefa misy ihany koa ireo tsy manao izany fa rehefa anatin'ny vanim-potoanan'ny ririnina dia ataony. Ny tadim-poitra dia homena ny omby ho an'ny fomba sasany, mba tsy ho very sy hody amin'ny hasiny iny loharanon'ny aina iny, izay nifandraisan'ilay zaza tamin'ny reniny. Ny fanalana satroka rehefa manoloana olona na amin'ny toe-javatra iray dia midika fanajàna...
Mariky ny fahalehibiazana tsy hita pesipesenina ny fifandraisan'ny olombelona amin'Andriamanitra. Raha te hanahaka an'Andriamanitra ny olombelona noho izy noharian'Andriamanitra dia tsy maintsy miankina tanteraka aminy. Ny fahaiza-mivavaka amin'ny fitsahona sy ny fiderana ; amin'ny fifonana sy fangatahana ary amin'ny fitiavana sy fanajana ihany anefa no mari-drefy tokana hilazana mifandray amin'Andriamanitra ny olombelona. Katesizy momba ny misterin'ny fahariana, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
Mpivady tsy mifanara-tsaina i Patrick sy Ninah, mijaly araka izany ity ramatoa ity. Naka an'i Zily mba hanao ny asa an-trano, izay avy any ambanivohitra, i Ramatoa Ninah. Tojo tsy fahasalamana i Patrick rehefa natao ny fitilina dia fantatra fa tsy afaka ny hiteraka izy sy ny vadiny. Niteraka olana teo amin'izy mivady ilay hoe tsy afaka mifampiteraka ary noampangain'i Patrick ho Ninah no momba. Nifampikasi-tanana izy roa ary tonga hatramin'ny fandroahana...
♦ Nankalazaina tamin'ny sabotsy sy alahady lasa teo ny Andro Maneran-tany faha-58 ho an'ny Fifandraisan'ny Mpiara-belona, teto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Masera dimy mirahavavy ao amin'ny fikambanana Fo Masin'i Jesoa no nanonona ny voady mandrakizay tao amin'ny fikambanana, ny sabotsy lasa teo... ♦ Mamafy ny Evanjely, ary miandry amim-pitokiana ny fitombon'ny voa nafafy, io no nivoitra tamin'ny fampianaran'ny Papa François mialoha ny vavaka Angelus omaly...
♦ Efa vonona amin'ny fandraisana ny vahiny hanatrika ny fanamasinana Eveka amin'ny 13 ôktôbra 2024, ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Tsy maintsy mitondra ny anjara birikiny, hoy ny Papa François, ireo mpandray anjara amin'ny fihaonana faharoa amin'ny Sinaody, mba ho tanteraka ny hoe Eglizy miara-dia... ♦ Nihaona tamin'i Sadyr Japarov, Filoham-pirenen'i Kirghizistan, ny Papa François ny maraina teo...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco