♦ Manentana ny rehetra hivavaka ho an'ny mpandraharaha madinika sy salantsalany ny Papa, ao anatin'ny Tambazotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana aogositra ity... ♦ Ezahana hilamina hatramin'ny 17 aogositra, ny fandraisana ireo tanora rehetra ho avy any amin'ny Diôsezin'Antsirabe, hiatrika ny JMJ Mada X... ♦ Hitsidika an'i Kazakhstan, ao Azia Afovoany, ny Papa François ny 13 hatramin'ny 15 septambra 2022...
Nanokana roa andro nikaonan-doha momba ny fijery tantsaha niompana amin'ny dingana fanohanana an'ireo tanora hisehatra amin'ny famokarana eny ambanivohitra ny tambazotra Sendikan'ny Orina Ambanivohitra na ny Réseau SOA.
05 aogositra — Teraka tany Ecosse i Masindahy Abel, mpitoka-monina bénédictin izy io, na dia teo aza ny toe-panahy tsara nananan’i Abel dia maro ireo nihetraketraka sy nanararoatra izany.
Misy voka-dratsiny amin’ny fianam-panahin’ny tanora ankehitriny ny fanatontoloana ary misy fiantraikany any amin’ny fiainan-tokatrano izany. Marina fa tsy ratsy avokoa ny vokany, raha tsy hilaza afa-tsy ny fivoaran’ny teknolojian’ny fifandraisana, izay hahafahan’ny olona mifandray avy hatrany. Ny tsy fahaizana mampiasa ny teknolojia avo lenta anefa dia miteraka olana ara-piaraha-monina, toy ny fiolonolonana sy ny kolo-tsain’ny fanjifana. Katesizy momba ny fianakaviana iarahana amin’i P. Randriamanamahenina Robert Maria
♦ Ankalazain'ny Eglizy maneran-tany amin'ity andro ity ny fetin'i Masina Maria Mpanjakavavin'ny Rôzery. Misy ny fandaharam-potoana anentanan'ireo avy ao amin'ny Fraternité Laïque Dominicaine, eto Antananarivo, amin'ny alalan'ny Facebook, andraisantsika anjara iombonana amin'ny maneran-tany... ♦ Zanaky ny Fiangonana, miisa 50 no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana tao amin'ny Distrikan'Ambodibonara, Arsidiôsezin'i Toamasina...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco