♦ Natao hanatanterahana ny asa fanirahan'ny Eglizy ny fiarahan-dia, ka antsoina handray anjara amin'izany avokoa ny mpino rehetra... ♦ Mitaky fiaretana ny mafy sy faharetana ny fifanakalozan-kevitra, ary manampy amin'ny fifankahazoana...
♦ Nirary soa ho an'ireo olona any amin'ny toerana ianjadian'ny fahoriana, ho tonga toeram-pamonjena, ny Filohan'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara... ♦ Nasongadin'i Mgr Paolo Rocco, Nonce Apostolique, tamin'ny firarian-tsoa nataony ny fiahiana manokana ireo tena mahantra mba hahazo ny hazavam-piainana amin'izao Noely izao... ♦ Miantso fiombonam-bavaka amin'ny 28 desambra 2021 ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ho an'ireo nodimandry sy ireo niharam-boina tamin'ny loza nifanesy teto amin'ny firenena tamin'ity taona 2021 ity...
♦ Asaina hiteny an-kasahiana sy an-kitsim-po ny olona rehetra, izany hoe atao an-kahalalahana, am-pahamarinana, sy am-pitiavana... ♦ Tsy ho tanteraka ny "fiarahan-dia" ataontsika raha tsy mifototra amin'ny fiaraha-mihaino ny Tenin'Andriamanitra sy ny fankalazana ny Eokaristia...
Alahady 26 desambra 2021 — Ny Fianakaviana Masina tao Nazareta — Eny, Andriamanitra miafina Ianao, Andriamanitra ety aminay olombelona, ry Jesoa Mpamonjy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 2, 41-52
♦ Ankalazain'ny Eglizy maneran-tany amin'ity andro ity ny fetin'i Masina Maria Mpanjakavavin'ny Rôzery. Misy ny fandaharam-potoana anentanan'ireo avy ao amin'ny Fraternité Laïque Dominicaine, eto Antananarivo, amin'ny alalan'ny Facebook, andraisantsika anjara iombonana amin'ny maneran-tany... ♦ Zanaky ny Fiangonana, miisa 50 no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana tao amin'ny Distrikan'Ambodibonara, Arsidiôsezin'i Toamasina...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco