Alahady 14 marsa 2021 — Alahady fahefatra amin'ny Karemy — Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : ka nomeny ny Zanany tokana ; mba hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 3, 14-21
Ny sampana ORL no miandraikitra ny fahasalaman'ny faritry ny loha. Tamin'ny taona 1860 no naharesilahatra ny mpikaroka fa tokony tsy hisaraka intsony ny fitsaboana ny ati-sofina sy ny tenda ary lalana hifandraisany ny orona sy ny maso. Maro ireo aretina mety hahazo ny faritry ny loha ary saropady ka hentanina ny tsirairay mba hanantona mpitsabo matihanina raha misy tranga mampiahiahy...
♦ Nanainga tao Taolagnaro nihazo an'Ambovombe androany ny andiany voalohany tamin'ireo mpitsoa-ponenana tonga tao Fort-Dauphin. Mbola manjavozavo anefa ny miandry azy ireo any Ambovombe... ♦ Takona noho ny fifandiran'ny mpitondra sy ny mpanohitra ny tena olana mianjady amin'ny vahoaka, hoy ny antoko UNDD, androany...
Nisy ny antso avo nataon'ny Federasiônan'ny Vehivavy Tantsaha eto Madagasikara na ny FVTM nandritra ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy ny 08 marsa lasa teo...
♦ Avy amin'ny Hazofijaliana no ahatsapantsika ny fitiavan'Andriamanitra izay mitondra hafaliana ho antsika ka zaraintsika amin'ny hafa, io no nivoitra tamin'ny fankalazana ny fanandratana ny Hazofijaliana sy nanamarihana ny faha-60 taona naha relijiozy an'i Sr Délphine Marcelle Razanamiadana, avy amin'ny fikambanana Sœurs Notre-Dame du Cénacle... ♦ Eglizy Misiônera velomin'ny finoana, nahitana taratra ny firahalahiana sy ny fangorahana, io no tsapan'ny Papa François tamin'ny fitsidihana apôstôlika nataony tany Azia sy Oseania...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco