♦ Miisa efatra ireo mpandeha antsokosoko nihazo ny nosy Mayotte no maty vokatry ny olana nahazo ny sambokely misy maotera nitondra azy ireo... ♦ Naaton'ny Filankevitra Ambonin'ny Mpitsara na ny CSM tamin'ny asa maha mpitsara azy Andriamatoa Raoul Harizaka Rabekoto... ♦ Tsy tompon'andraikitra amin'izay hena amaidy eny an-tsena, mety ahitana olana, ny sendikan'ny dokotera sy veterinaires eto Madagasikara, izay tsy mety hampiasa ny bokin'omby na ny FIB...
Anisan'ny lesoka ka tsy maintsy hanampiana ny tanora ny tanora ny fisalasalana na ny tahotra mihintsy aza amin'ny fanorenana ny ho aviny. Naverin'ny Papa Fransoa tamin'ny tanora teto Madagasikara io famporisihana io tamin'ny fihaonany tamin'ny tanora, ka nahazahoana ity lohahevitra ity hoe : manaova " eny amin'ny fahasahiana hanorina ny ho avy". Katesizy momba ny "eny amin'ny fahasahiana hanorina ny ho avy, iarahana amin'i P. Ratovonjanahary Jean Luc.
Alahady 31 oktobra 2021 — Alahady faha iraika amby telopolo mandavantaona — Raha misy tia Ahy, hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko; ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 12, 28b-34
Fanomezana avy amin'Andriamanitra ny aina. Ny fihetsika sy ny tenin'i Jesoa ao amin'ny Evanjely dia manambara fa sarobidy ny aina ka tokony harovana hatrany am-bohoka. Marefo ihany koa izy ka izay no nahatonga an'Andriamanitra hiaro azy. Fandaharana handalinana ny fototra ara-tSoratra Masina momba ny hasin'ny aina, iarahana amin'i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, Eveka mpanampy, Arsidiosezin'Antananarivo.
♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco