Manohitra ny lalana voajanahary ao amin'ny fahasamihafana no hanorenan'ny fiaraha-monina raha toa ka irosoana ny fanambadian'ny lahy samy lahy na vavy samy vavy ; ary voatohitohina ny asa fahariana, tapaka sy tsy misy fotohizan'ny aina. Ny tokantrano dia tsy maintsy misy ray sy reny ary zanaka. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Mpanoratra tononkalo miavaka kely i Nofy. Nahaliana tanteraka an'i Rado ny tononkalo nosoratan'i Nofy, ary ilay amboara tononkalo mirakitra ilay hoe "Hatsarana miafina" no tena nasarika azy. Rehefa nifanazava ny fahazoana ny voarakitra tao anaty asa-soratra izy roa dia nanao ireto fanamarihana ireto hoe : miresaka ny fahorian'ny mpanoratra ilay tononkalo, fitaovana afahan'ny mpamaky sy mpanoratra mitafa, andinin-tsoratra mampitraka raha sendra ady sarotra...
♦ Notsofin-drano ny alahady 10 septambra 2023 ny fiangonana Olontsambatra Jacques Désiré Laval, ao Sahavôla Fenoarivo-Atsinanana... ♦ Notanterahina tao amin'ny diosezin'Antsiranana nandritra ny telo andro ny "Festival Diaconie de la beauté"... ♦ Nitsidika ny Papa François ny 11 septambra 2023, i Baselios Marthoma Mathews III, Metrôpôlitan'ny Eglizy malankara ortôdoksa ao Syrie...
Ny fisolona tena ny tanàna na ny faritra na ny firenena dia faneohoana fitiavana tanindrazana. Miombona alahelo ho an'ireo izay nanana havana namoy aina tamin'ny loza nitranga nandritra ny fanokafana ny lalaon'ny nosy, ary mirary fahasalamana ho an'ireo naratra. Ny lalao dia mitaky fitsipika sy lalàna. Ny zava-maneno dia zava-dehibe ary mila fitandremana ny fifehezana azy, indrindra ny mikasika ny feo sy ny zava-maneno. Ireo olomalaza tamin'ny famoronan-kira sy fihirana dia saika olona niaina ny finoana avokoa...
♦ Avy amin'ny Hazofijaliana no ahatsapantsika ny fitiavan'Andriamanitra izay mitondra hafaliana ho antsika ka zaraintsika amin'ny hafa, io no nivoitra tamin'ny fankalazana ny fanandratana ny Hazofijaliana sy nanamarihana ny faha-60 taona naha relijiozy an'i Sr Délphine Marcelle Razanamiadana, avy amin'ny fikambanana Sœurs Notre-Dame du Cénacle... ♦ Eglizy Misiônera velomin'ny finoana, nahitana taratra ny firahalahiana sy ny fangorahana, io no tsapan'ny Papa François tamin'ny fitsidihana apôstôlika nataony tany Azia sy Oseania...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco