Ny tontolo ambanivohitra no tena endriky ny fahariana sy fampandrosoana. Mendrika hifantohan'ny saina manokana ny asa eny ambanivohitra, noho ny anjara mbola tontosainy eo amin'ny sehatry ny fiaraha-monina sy ny kolontsaina ary ny fiharian-karena. Mila fitsinjovana manokana ny tontolo ambanivohitra sy ny asa fanao eny satria ilaina ny fanovana hatrany ifotony. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Mpifankatia i Aro sy i Realy nanana olana ara-pitiavana noho ny fifandraisana tamin'i Vola. Nandratra an'i Realy ireo fifaneraserana nisy taminy sy i Aro, nanery ny fony sy ny tenany hanalavitra an'i Aro i Realy. Nisara-toerana i Realy sy i Nandrianina zandri-vaviny, satria te hanalavitra an'i Aro i Realy. Efa nisy fifanarahana vita, taloha, eto amin'ny ray aman-drenin'i Aro sy Vola fa haroso amin'ny fanambadiana ireto zanany rehefa tonga amin'ny taona sahaza azy ireo...
♦ Tontosa omaly ny fametrahana araka ny fomban'ny Eglizy an'i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, ho Evekan'Antsirabe... ♦ Ny famelan-keloka no rivotra mamelona, manadio ny rivotra voaloton'ny fankahalana, hoy ny Papa François, tamin'ny fampianarany nandritra ny vavaka Angelus omaly... ♦ Tsy amin'ny fampiasan-kery na amin'ny fampiasana fitaovam-piadiana no hanorenana ny ho avy, fa amin'ny alalan'ny halemem-panahy, hoy ny Papa François, nandritra ny fihaonany, tao Roma, tamin'ireo vondron'olona mpino avy any Corée Atsimo, ny 16 septambra 2023...
Ny katesizy dia mizara efatra lehibe, ary taorian'ny Konsily Vatikana-II no nandrafetana azy. Ny fizarana voalohany dia ny miresaka ny zavatra tsy maintsy inoana momba an'Andriamanitra, ny Trinite Masina, ny maha Mpahary ny Ray, ny fahatongavana ho nofo, ny fanavotana ary ny fitsanganan-ko velona, ny niakaran'i Jesoa any an-danitra, Jesoa Mpitsara, ny fisian'ny fanahimasina sy ny fiombonan'ny olomasina ; ny faharoa dia mampianatra ny "tsy maintsy atao mba havoavonjy"...
♦ Avy amin'ny Hazofijaliana no ahatsapantsika ny fitiavan'Andriamanitra izay mitondra hafaliana ho antsika ka zaraintsika amin'ny hafa, io no nivoitra tamin'ny fankalazana ny fanandratana ny Hazofijaliana sy nanamarihana ny faha-60 taona naha relijiozy an'i Sr Délphine Marcelle Razanamiadana, avy amin'ny fikambanana Sœurs Notre-Dame du Cénacle... ♦ Eglizy Misiônera velomin'ny finoana, nahitana taratra ny firahalahiana sy ny fangorahana, io no tsapan'ny Papa François tamin'ny fitsidihana apôstôlika nataony tany Azia sy Oseania...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco