♦ Pretra iray avy amin'ny fikambanana Montfortain, no nohamasinina ho pretra omaly, tao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... ♦ Feno 35 taona tamin'ny taon-dasa ny niorenan'ny fikambanan-dry Masera ZAFIMA na Zanakavavin'ny Fiangonan'i Mahajanga. Nomarihina omaly izany, tao amn'ny Diôsezin'i Mahajanga... ♦ Tontosa omaly, ny Zaikaben'ny MDMK tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé...
Alahady 15 aogositra 2021 — Ny nampakarana an'i Masina Maria any an-danitra — Nampiakarina any an-danitra i Maria, ka mifaly ny tafiky ny Anjely — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 39-56
Ny zaza voaloboka dia fiforonana vohoka tsy ho ary, noho ny tsy fahatomombanan'ny fitsaihina izany hoe tsy araka ny tokony ho izy ny fihaonan'ny atodinaina vavy sy ny atodinaina lahy. Misy karazany roa ny tranga "zaza voaloboka" : voalohany, mety ho ny atodinainay vavy no tsy tomombana " môle hydatiforme complète " ; faharoa ny atodinainay lahy no tsy tomombana "môle hydatiforme partielle"...
♦ Hosokafana any Roma ny 09 ôktôbra 2021 izao ny Sinaodin'ny Eveka... ♦ Nomarihana tamin'ny 6 aogositra 2021 ny faha-20 taona naha eveka an'i Mgr Gaetani Di Pierro, evekan'i Farafangana... ♦ Noraisina tamin'ny fomba ôfisialy ny 6 aogositra teo i Sr Rafaraonisoa Blandine, Malagasy voalohany voatendry ho lehiben'ny Fikambanan'ny Masera Filles de Marie Axiliatrice, eto Madagasikara...
♦ Ankalazain'ny Eglizy maneran-tany amin'ity andro ity ny fetin'i Masina Maria Mpanjakavavin'ny Rôzery. Misy ny fandaharam-potoana anentanan'ireo avy ao amin'ny Fraternité Laïque Dominicaine, eto Antananarivo, amin'ny alalan'ny Facebook, andraisantsika anjara iombonana amin'ny maneran-tany... ♦ Zanaky ny Fiangonana, miisa 50 no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana tao amin'ny Distrikan'Ambodibonara, Arsidiôsezin'i Toamasina...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco