♦ Sorona Masina sy fizarana ny Sakramentan'ny marary ary famangiana marary no nanamarihana ny Andro Eran-tany ho an'ny marary androany, tao amin'ny Arsidiôsezin'Antsiranana... ♦ Miantso voin-kava-mahatratra, noho ny takaitran'ny rivodoza Batsirai, amin'ireo katôlika rehetra ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara... ♦ Hivahiny any Malta ny Papa François, ny 2 sy 3 aprily 2022...
Ny fahatsarana eo amin'ny tokantrano dia toy ny mandeha ho azy, avy amin'Andriamanitra ny fahatsarana. Ny fahasarotana dia ilay tsy araka ny nandrasantsika sy tsy nampoizintsika. Sedra tsy maintsy andalovana izy ireny ka mila mifikitra amin'Andriamanitra hatrany amin'ny famahana izany. Ny fahatsarana sy ny fahasarotana dia samy mamolavola ny tsirairay hanamafy ny fifankatiavana eo anivon'ny tokantrano...
11 febroary — Natokan'ny Fiangonana hankalazana an'i Masina Maria niseho tany Lourdes ny 11 febroary. I Masina Maria izay nambara fa nanalefaka ny fijalian'ny olona maro teo amin'io toerana io ary nampihavana fanahy maro tamin'Andriamanitra.
Manankarena ny fiangonana noho ireo karazam-pahasoavana avy amin'ny Fanahy Masina. Roa ny karazam-pahasoavana : ny fiantsoana amin'ny fandraharahana masina, ary ny fiantsoana hiaina amin'ny fomba samihafa ny fanahafana an'i Jesoa Kristy. Katesizy momba ny fitoriana ny vaovao mahafaly, iarahana amin'i P. Hermann Solofonjanahary.
♦ Ankalazain'ny Eglizy maneran-tany amin'ity andro ity ny fetin'i Masina Maria Mpanjakavavin'ny Rôzery. Misy ny fandaharam-potoana anentanan'ireo avy ao amin'ny Fraternité Laïque Dominicaine, eto Antananarivo, amin'ny alalan'ny Facebook, andraisantsika anjara iombonana amin'ny maneran-tany... ♦ Zanaky ny Fiangonana, miisa 50 no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana tao amin'ny Distrikan'Ambodibonara, Arsidiôsezin'i Toamasina...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco