Maro ny hevitra mifamahofaho amin'izao fotoana izao manoloana ny teny hoe "fianakaviana", indrindra hatramin'izay nidiran'izao tontolo izao anatin'ny sehatry ny fanatontoloana. Noho ny filàna ara-nofo sy ny tombontsoa ho an'ny tena dia misy ireo miara-miaina toy ny mpivady, ka mamorona "fianakaviana" na inona na inona karazana misy azy. katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria.
♦ Tanora manodidina ny 28590 no niatrika ny JMJ Mada X, izay nanomboka ny 30 aogositra hatramin'ny 4 septambra 2022. Nanafatra azy ireo ny Fivondronamben'ny Eveka, mba ho sahy hijoro hiaro ny tontolo iainana ary ho sahy haneho marina tokoa ny hatanorana... ♦ Entanin'ny Papa François isika, amin'izao volana septambra izao, hivavaka mba ho foana ao anatin'ny lalan'ny firenena rehetra maneran-tany ny fanamelohana hofaty...
05 septambra — Zanaky ny mpisoron’ny Tamieh tao Fayoum, tany amin’ny sisin-tanin’i Lybie i Raïssa. Roapolo taona izy tamin’ny fotoana nanjakan’i Dioclétien. Resy lahatra io amperora sy ny mpiara-miasa aminy fa hamotika ny fivavahana kristianina.
Alahady 4 septambra 2022 — Alahady Tsotra fahatelo amby roapolo Mandavantaona — Izaho no Fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo: izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 14, 25-33
♦ Ankalazain'ny Eglizy maneran-tany amin'ity andro ity ny fetin'i Masina Maria Mpanjakavavin'ny Rôzery. Misy ny fandaharam-potoana anentanan'ireo avy ao amin'ny Fraternité Laïque Dominicaine, eto Antananarivo, amin'ny alalan'ny Facebook, andraisantsika anjara iombonana amin'ny maneran-tany... ♦ Zanaky ny Fiangonana, miisa 50 no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana tao amin'ny Distrikan'Ambodibonara, Arsidiôsezin'i Toamasina...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco