Misy ny olona voasokajy ho vahoaka fotsiny fa tsy olom-pirenena. Ahoana ary ny hanomanana sy hamolavolana ny Malagasy ho tena olom-pirenena mahalala sy mahafantatra ny adidiny sy ny andraikiny ? Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
Alarobia 15 desambra 2021 — Herinandro fahatelo amin'ny Fiavian'ny Tompo — Tongava, ry Tompo, ary aza ela: vahao ny fatoran’ny vahoakanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 7, 19-23
♦ Nitokana ny asa-panitarana sy ny fanatsarana ny sampana vonjy aina tao amin'ny Hôpitaly Ravoahangy Andrianavalona androany, ny Filoham-pirenena... ♦ Nanomboka androany ary haharitra hateloana ny Kôngresy Nasiônali'ny SECES. Hotanterahana mandritra izany ny fifidianana ny Birao Nasiônaly... ♦ Nanambara ny Tale Jeneralin'ny Fadin-tseranana fa mbola mitohy ny raharaham-pitsarana ny volamena 73kg mahery, tratra tatsy Afrika Atsimo...
Adidin'ny diosezy tsirairay ny manome ny toromarika amin'ny fomba fiasa sy mandrindra ny atrikasa rehetra any amin'ny fiangonana mba hahafahan'ny sokajin'olona rehetra mandray anjara amin'ny fanomanana ny sinaodin'ny eveka: fanendrena ny mpandrindra, fampandraisana anjara ny olona rehetra,ny fanentanana ny olona hihaona hiantso ny Fanahy masina eo am-pamaliana ny fanontaniana, ny fanangonana ny valim-panontaniana, ny daty hamerenana azy. Fanazavana entin'i P. Faliarilala Thierry Pascal, Ekipa nasionaly mpandrindra ny sinaody
♦ Ankalazain'ny Eglizy maneran-tany amin'ity andro ity ny fetin'i Masina Maria Mpanjakavavin'ny Rôzery. Misy ny fandaharam-potoana anentanan'ireo avy ao amin'ny Fraternité Laïque Dominicaine, eto Antananarivo, amin'ny alalan'ny Facebook, andraisantsika anjara iombonana amin'ny maneran-tany... ♦ Zanaky ny Fiangonana, miisa 50 no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana tao amin'ny Distrikan'Ambodibonara, Arsidiôsezin'i Toamasina...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco