Anatin'ny fikambanan-jiolahy no misy an'i Sedra sy i Feno ; avy nanafika toerana iray izy ireo ka niara-nisotro taminà bar. Manomana fanadinana i Mlle Lila ary miezaka mifantoka amin'izany, nandrisika azy hianatra mafy i Vola. Voadonan'i Sedra teny an-dalàna i Lila ary latsaka ka simba tamin'izany ny findainy, nampiresaka azy i Sedra ary nifanakalo laharana finday izy roa. Rehefa tafahaona i Vola sy Lila dia nifampitantara ny fanafihana sy vakin-trano teo akaiky teo, izay asa ratsy nataon'i Sedra sy ny namany...
♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...
Alahady fahafito fankalazana ny Paka : Fitiavana sy fahamarinana no tena endrik'i Kristy Fitiavana ; tsy havelako ho kamboty ianareo, hoy ny Tompo, fa handeha Aho, ary ho avy eo aminareo indray, ka ho faly ny fonareo. Aoka hisy anankiray ho namantsika mba ho vavolombelon’ny nitsanganany ho velona. Izay mitoetra ao amin’ny fitiavana, dia mitoetra ao amin’Andriamanitra, ary Andriamanitra ao aminy. Ny votoatin'ny Evanjely anio dia ny fisarahana mahamenatra eo amin'ny olona sy ny fiangonana ; misy koa ny fisarahana izay efa tsinjon'i Kristy mialoha dia ny fisarahan'ny mpianatra amin'ny fitoriana ny filazan-tsara, eo koa ny fahasimban'ny firaisana Aminy, ary anton'ny vavaka nataon'i Jesoa hoe : Ho iray tahaka Antsika anie izy ireo...
12 mey 2024 — Alahady fahafito Fankalazana ny Paka — Tsy havelako ho kamboty ianareo, hoy ny Tompo, fa handeha Aho, ary ho avy eo aminareo indray, ka ho faly ny fonareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 17, 11b-19)
♦ Avy amin'ny Hazofijaliana no ahatsapantsika ny fitiavan'Andriamanitra izay mitondra hafaliana ho antsika ka zaraintsika amin'ny hafa, io no nivoitra tamin'ny fankalazana ny fanandratana ny Hazofijaliana sy nanamarihana ny faha-60 taona naha relijiozy an'i Sr Délphine Marcelle Razanamiadana, avy amin'ny fikambanana Sœurs Notre-Dame du Cénacle... ♦ Eglizy Misiônera velomin'ny finoana, nahitana taratra ny firahalahiana sy ny fangorahana, io no tsapan'ny Papa François tamin'ny fitsidihana apôstôlika nataony tany Azia sy Oseania...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco