Ny fifanampiana izay endriky ny fanehoana fitiavana dia tsy eo amin'ny olon-droa fotsiny ihany, fa eo amin'ny sehatra samihafa. Ny zavatra atao am-pitiavana tsy maintsy misy vokatra tsara. Fandraharana "Mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
Mba hananana na hitazomana ny fahasalamana dia tsy maintsy mametraka tanjona isika. Isan'ny lohahevitra noresahana ny hoe : fialàna na fampihenana ny fandraisana zava-madomelina, eo koa ny fitozoana ara-batana. Isan'ny fototry ny fahasalamana ny sakafo, torimaso, fampiasam-batana. Manampy ny vehivavy hiatrika ny adidiny ny fandrindram-piterahana sy ny fahalalana manodidina ny fadimbolana. Ilàna tombana avokoa izay natao rehetra mba hamaritana izay tokony hatao indray...
Alarobia 10 novambra 2021 — Herinandro faharoa amby telopolo mandavantaona — Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema, Izy Ilay mandefa ny didiny eto an-tany — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 17, 11-19
♦ Manamafy ny fitakiana efa nataony hatramin'izay ny amin'ny tokony hahatongavan'ny volavolan-dalana vaovao momba ny fitantanam-bola ara-potoana, eny amin'ny Antenimieram-pirenena ny firaisa-monim-pirenena... ♦ Nahavita ny iraka nampanaovina azy ny Foibe Fafiala, nandritra ny 30 taona nijoroanany. Tantsaha an'arivony, niampy teknisianina samihafa no nofanin'izy ireo amin'ny famokarna miaro ny tontolo iainana...
♦ Entanina ny mpino rehetra eto Madagasikara, hivavaka ho an'ny dingana fanandratrana ho olomasina an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Isan'ny fikambanan-drelijiozy eo ambany fiarovan'i Masina Maria niseho tany Lasalety, ny fikambanana Missionnaires de la Sainte Famille, ka nentin'izy ireo nanamarihana ny faha-178 taona nisehoan'i Masina Maria tany an-tendrombohitr'i Lasalety, tamin'ny 19 septambra 2024, dia nisy ny fandraisana voadin'ny frera miisa fito, sy fanavaozana voady nataon'ny frefra 28 ao amin'ny fikambanana...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco