Alarobia 08 jolay 2020 — Herinandro faha-14 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 10, 1-7 — Efa nataoko hoe Sakaiza ianareo, hoy ny Tompo ; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin'ny Ray.
Ny fisian'ny tsimok'aretina sy ny fiparitahany no nametrahana ny hamehana ara-pahasalamana, izay tsy maintsy hanajana ireo fepetra farafahakeliny : ny fijanonana an-trano, ny fanaovana aro-vava sy aro-orona, ny fanasana tànana matetika amin'ny rano sy savony ary ireo "gel hydroalcoolique", ny fanajana ny elanelana iray metatra, ny famendrahana fanafody matetika amin'ny toerana isan-tsokajiny. Na dia miteraka sakana ara-tsaina aza izany dia atrehana am-pitoniana sy am-pitandremana, mba hahazoana fahasalamana .
Alahady 05 jolay 2020 — Alahady faha-14 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 11, 25-30 — Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon'ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin'ny madinika ny tsiambaratelon'ny Fanjakanao.
Ny fahaizana mifandray amin'ny hafa, dia misy fiantraikany aminao bebe kokoa. (01-07-2020)
♦ Hateloana andro izao no nankalazana ny fetin'i Masindahy Vincent de Paul, ho an'ny Diôsezin'i Tolagnaro, nanomboka ny 25 septambra 2024... ♦ Nandresy ny demony i Kristy ary nanome antsika ny Fanahy Masina, mba handresentsika toa azy koa. Io no hevi-dehibe nifantohan'ny Papa François nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny 25 septambra 2024... ♦ Nanentana ny hisian'ny fiaraha-miasa sy ny firaisan-kinan'ny firenena ny Papa François, tamin'ny Fitsidihana apôstôlika ivelan'i Roma, andiany faha-46, nataony tany Luxembourg...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco