Ny fahasamihafana fototra naharian'Andriamanitra izao tontolo izao dia mila tsarovana, mila fohazina. Na ny nahariana ireo tontolo mineraly tsy miaina, na ny nahariana ireo zava-manan'aina sy biby isan-karazany ; indrindra indrindra ny nahariana ny olombelona.
Nahazo traik'efa amin'ny safidy atao amin'ny fikarohana momba ny famokarana masomboly vary ny tantsaha any amin'ny Faritra Atsimo Andrefana ao amin'ny lemak'i Bas-Mangoky nandritra ny taom-pambolena 2018-2019 momba ny famokarana ambioka na ny Tahiry nohatsaraina hiatrehana ny taom-pambolena manaraka.
Nahazo fanasana ofisialy avy amin’ny fitondram-panjakana indoneziana, hamangy an’Indonésie amin’ity taona ity i Papa François.
♦ Navoaka amin'ny fomba ôfisialy sy fomban'ny Fiangonana androany, ireo mpiofana ho pretra sy relijiozy 14 mirahalahy amin'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco, nahazo ny diplaoma Licence amin'ny taranja filôzôfia... ♦ Hotanterahana amin'ny 13 sy 14 jolay 2024 ny lanonana fanamasinana sy fametrahana an'i Mgr Herizo Rakotohasimbola, ho Evekan'i Maintirano... ♦ Nahatratra 105 ny fanamasinana ho pretra tany Frantsa tamin'ity taona 2024 ity...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco